Categories
Tononkira dia Tononkira

Tononkira dia Tononkira 3

1 Teo am-pandriako aho, nony alina,

nitady ilay malalan’ny fanahiko;

nitady azy aho, fa tsy nahita…

2 Ka hoy aho anakampoko: «Andeha hifoha aho hitetitety ny tanàna,

ny lalam-be sy ny kianja,

hitady ilay malalan’ny foko.»

Dia nitady azy aho fa tsy nahita.

3 Tojo ahy ny mpiambina izay misafo ny tanàna:

– Mba hitanareo va ilay malalan’ny foko? –

4 Vao tafahoatra an’ireo kely foana aho,

dia nahita an’ilay malalan’ny foko.

Nohazoniko izy, fa tsy navelako nandeha,

mandra-pampiditro azy any an-tranon’i neny,

sy any amin’ny efitranon’ilay nahitako masoandro.

Mpampakatra

5 Ry zanaka vavin’i Jerosalema, izaho miangavy anareo indrindra,

noho ny gazela sy ny serfa vavy eny an-tsaha,

aza fohazinareo, aza fohazinareo ny malalako,

raha tsy efa sitrapony.

TONONKALO FAHATELO

6 Iza izatomiakatra avy any an’efitra,

tahaka ny setroka mijoalajoala,

manitra mira aman’emboka,

mbamin’ny zava-manitra rehetra avy amin’ny mpandranto?

7 Iny eny, ny filanjàn’i Salômôna;

otronin-dehilahy mahery enimpolo,

avy eo amin’ireo lehilahy maherin’i Israely;

8 samy mitan-tsabatra avokoa,

ary zatra ady.

Samy eny am-balahany avy, ny sabany,

hampisava ny fahatahorana amin’ny alina.

9 Nanao filanjana ho azy i Salômôna mpanjaka,

tamin’ny hazo avy any Libàna.

10 Nataony volafotsy ny andriny,

volamena ny fiankinana, jaky ny fipetrahana;

amborodao ny eo afovoany,

asam-pitiavana avy amin’ny zanaka vavin’i Jerosalema.

11 Mivoaha, ry zanaka vavin’i Siôna, jereo i Salômôna mpanjaka,

misatroka ny satroboninahitra, nasatro-dreniny azy

amin’ny andro ampakarany vady,

amin’ny andro ifalian’ny fony.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *