Categories
Tononkira dia Tononkira

Tononkira dia Tononkira 5

Mpampakatra

1 Efa tafiditra ny tanimboliko aho, ry anabaviko voafofo,

efa nioty ny mirako aman-java-manitra aho;

efa nihinana ny toho-tantely aman-tanteliko aho…!

efa nisotro ny divay aman-drononoko aho…!

Mihinàna, ry sakaiza, misotroa, mimamoa, ianareo olon-tiako!

Ny Ampakarina

2 Matory aho, nefa mahatsiaro ny foko…

Injay ny feon’ny malalako! Mandondòna izy:

– Vohay aho, ranabavy, ry sakaizako,

ry voromahailalako, ry ahy tsy misy pentina;

fa vonton’ny ando ny lohako,

kotsan’ny andon’ny alina ny voloko voalantolanto.

3 Efa niala akanjo aho, ka hataoko ahoana no fiakanjo indray?

Efa nioza tongotra aho, ka hataoko ahoana no fandoto azy indray.

4 Ny malalako mampidi-tanana amin’ny loaky ny hidim-baravarana,

ka nangoraka azy ny foko.

5 Dia nitsangana aho namoha ny malalako,

ary nitete mira ny tanako,

ny mira tsara indrindra avy amin’ny rantsan-tanako,

nihanaka teo amin’ny famohan-karetsaka.

6 Namoha trano ny malalako aho;

kanjo nanjavona ny malalako; nandositra izy.

Tsy nahatsiaro tena aho raha niteny tamiko izy.

Nitady azy aho, nefa tsy nahita;

niantso azy, nefa tsy novaliany.

7 Nifanehatra tamiko ny mpiambina,

dia ireo izay nisafo ny tanàna alina;

ka nokapohiny nataony mangana aho;

nendahan’ireo mpiambina ny manda ny lambako.

8 Miangavy anareo aho, ry zanaka vavin’i Jerosalema,

raha mahita ny malalako ianareo,

ahoana no holazainareo aminy…?

– Mararim-pitia aho. –

Antoko-mpihira

9 Inona no ihoaran’ny malalanao noho ny malala hafa,

ry tsara tarehy indrindra amin’ny vehivavy?

Inona no ihoaran’ny malalanao, noho ny malala hafa,

no dia miangavy anay toy izao ianao?

Ampakarina

10 Ny malalako dia mandina sy menamena,

notsongaina tamin’ny iray alina.

11 Volamena madio ny lohany;

malefaka hoatra ny sampam-palafa ny volony milantolanto,

sady mangilohilo toy ny goaika.

12 Ny masony tahaka ny voromahailala amoron-tsakeli-drano,

mandro amin’ny ronono,

mipetraka amin’ny morona,

13 Ny takolany tahaka ny kisahasahan-kazo mitete dity manitra,

sy toritory fambolena hazo manitra:

lisy ny molony,

izay mitete mira faran’izay madio.

14 Ny tanany dia anja-bolamena,

voaisy vatosoa avy any Tarsisa:

ny tratrany taozavatra ivoara kanto indrindra,

voaisy safira betsaka.

15 Ny ranjony andry vatosanga,

miorina amin’ny faladia volamena madio.

Ny tarehiny tahaka an’i Libàna,

bikana toy ny hazo sedera.

16 Mamy dia mamy ny vavany,

ary mahatehotia avokoa ny tenany.

Toy izany ny malalako, toy izany ny olon-tiako,

ry zanaka vavin’i Jerosalema.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *