Antoko-mpihira
1 Lasa nankaiza ny malalanao,
ry tsara tarehy indrindra amin’ny vehivavy?
Nitodika nankaiza ny malalanao,
hiarahanay aminao hitady azy?
Ampakarina
2 Lasa nidina any an-tanimboliny ny malalako,
dia any an-kisahasahan-kazo mitete dity manitra,
hiandry ondry any an-tanimboliny,
sy hioty lisy any.
3 An’ny malalako aho, ary ahy ny malalako;
miandry ny ondriny any amin’ny lisy izy.
Mpampakatra
4 Ry malala, tsara tarehy tahaka an’i Tirsà ianao;
ary mahafinaritra tahaka an’i Jerosalema,
fa mahatahotra tahaka ny antoko-miaramila.
5 Avilio tsy hijery ahy ny masonao
fa mampitebiteby ny foko.
Ny volonao tahaka ny andian’osy
miantsampitsampy eny ankisolosolon-tendrombohitr’i Galaada.
6 Ny nifinao tahaka ny andian’ondry,
miakatra avy any amin’ny fampandroana;
samy manana anaka kambana;
ary tsy misy bada izy ireo na dia iray aza.
7 Ny takolakao tahaka ny voan’ampongabendanitra misasaka
alokalofan’ny voalinao.
8 Misy mpanjaka vavy enimpolo, vaditsindrano valopolo,
ary zatovo vavy tsy hita isa:
9 fa iray monja no voromahailalako, ahy tsy misy pentina;
vavy tokan’ny reniny,
zokim-pitian’ilay nahitany masoandro.
Ireo zatovo vavy nahita azy, niantso azy hoe: Sambatra;
ireo mpanjaka vavy amam-baditsindrano nahita azy dia nidera azy:
10 Iza moa ity vehivavy, miposaka toy ny mazava atsinanana
tsara tahaka ny volana, madio toy ny masoandro,
fa mahatahotra tahaka ny antoko-miaramila?
11 Nidina tany an-tsahan’ny noaie aho
hizaha ny ahitra eny an-dohasaha,
hizaha raha mitsimoka ny voaloboka,
raha mamòny ny ampongabendanitra.
12 Tsy fantatro, fa nentin’ny fitiavako aho niakatra
nitaingina ny kalesin’ny vahoakako be voninahitra.