Categories
Zakaria

Zakaria 1

Famporisihana hibebaka

1 Tamin’ny volana fahavalo, taona faharoa nanjakan’i Dariosa, ny tenin’i Iaveh dia natao tamin’i Zakaria, mpaminany, zanak’i Barakia, zanak’i Adô, nanao hoe:

2 Tezitra mafy tamin’ny razanareo i Iaveh.

3 Koa lazao amin’izy ireo hoe:

«Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Miverena amiko ianareo, – teny marin’i Iavehn’ny tafika, – dia hiverina aminareo Aho, – hoy i Iavehn’ny tafika.

4 Aza manaraka ny razanareo, izay nitorian’ny mpaminany taloha hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Miverena ianareo, mialà amin’ny lalan-dratsinareo, sy amin’ny asa ratsinareo! nefa tsy nihaino sy tsy nasiany raharaha akory Aho, – teny marin’i Iaveh. –

5 Ny razanareo aiza intsony ankehitriny? Ary ny mpaminany koa, moa mba nety ho velona mandrakizay va?

6 Fa ny teniko sy ny didiko kosa, izay nasaiko nentin’ny mpaminany mpanompoko, moa tsy nahatratra ny razanareo va, ka dia nibebaka izy ireoary nanao hoe: Izay efa notapahin’i Iavehn’ny tafika hatao amintsika araka ny lalantsika sy araka ny asantsika dia nataony tamintsika tokoa.»

Fisehoana hita voalohany: ireo mpitaingin-tsoavaly

7 Tamin’ny andro faha-24n’ny volana, izay volana Sabata, tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa, tonga tamin’i Zakaria mpaminany, zanak’i Barakia, zanak’i Adô, ny tenin’Andriamanitra, dia izao:

8 Fahitana no azoko tamin’ny alina: ka nisy lehilahy nitaingin-tsoavalymenapìny nijanona teo amin’ny hazo mirta, amin’ny toerana malokaloka; sady nisy soavaly nemapìny sy mavomena ary fotsy teo aoriany.

9 Ka hoy aho: Inona ireo, tompoko? Dia hoy ilay Anjely niresaka tamiko: Hasehoko anao ny amin’ireo.

10 Ary ralehilahy izay teo amin’ny mirta, niteny nanao hoe: Ireo no nirahin’i Iaveh hitety ny tany.

11 Ka dia namaly ireo tamin’ny Anjelin’i Iaveh, izay teo amin’ny mirta ka nanao hoe: Efa nitety ny tany izahay, ka miadana sy mandry feizay avokoa ny tany.

12 Dia niteny ilay Anjelin’i Iaveh nanao hoe: Ry Iavehn’ny tafika ô, mandra-pahoviana Ianao no tsy hamindra fo amin’i Jerosalema sy ny tanànan’i Jodà, izay itezeranao efa hatramin’ny fitopolo taona?

13 Ary i Iaveh nilaza teny soa, teny fampiononana tamin’ilay Anjely niresaka tamiko.

14 Ary ity Anjely niresaka tamiko kosa nanao tamiko hoe: Ataovy antso avo izao:

Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Efa azon’ny fahasaro-piaro mafy, an’i Jerosalema sy an’i Siôna Aho.

15 Ary mbola azon’ny fahasaro-piaro mafy Aho hamely ny firenenaizay milomano amin’ny harem-be. Satria Izaho moa, efa tezitra kely sahady, izy kosa niasa nankamin’ny fandravana ihany.

16 Koa izao no lazain’i Iaveh: Miverina eto Jerosalema amin’indrafo Aho, ka ny tranoko haorina eto indray, – teny marin’i Iavehn’ny tafika, – ary ny famolaina hohenjanina amin’i Jerosalema.

17 Ataovy antso avo koa izao: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Mbola hitobaka eto an-tanànako ny harem-be; ary mbola hampionona an’i Siôna i Iaveh, sy mbola hifidy an’i Jerosalema.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *