Categories
Zakaria

Zakaria 3

Fisehoana hita fahefatra: ny nampitafiana an’i Jesosy

1 Nasehony ahy i Jesosy, mpisorona lehibe, nitsangana teo anatrehan’ilay Anjelin’i Iaveh, ary i Satana nitsangana teo ankavanan’iomba hanohitra azy.

2 Dia hoy i Iaveh tamin’i Satana: «Aoka hosakanan’i Iaveh ianao, izay nifidy an’i Jerosalema! Tsy forohana nosarihina avy amin’ny afo va ity?»

3 Ary nitafy maloto i Jesosy sy nitsangana teo anatrehan’ilay Anjely.

4 Ary niteny ilay Anjely ka nilaza tamin’ireo nitsangana teo anatrehany nanao hoe: «Esory ny fitafiana maloto eny aminy.» Dia hoy izy taminy: «Jereo, efa noesoriko taminao ny haratsianao; sady fitafiana fitondra amin’ny fetyno natafiko anao.»

5 Ary hoy aho: «Aoka hasiana hamama madioeo an-dohany.» Dia nasian’izy ireo hamama madio teo an-dohany, sady notafiany izy; ary nitsangana teo ilay Anjelin’i Iaveh.

6 Ka izao no fanambaràna nolazain’ilay Anjelin’i Iaveh, tamin’i Jesosy:

7 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Raha mizotra amin’ny lalako ianao sy mahatoky ianao amin’ny fanaovana ny raharahako, dia hanapaka ny tranoko koa ianao; sy hiambina ny kianjako, sady havelako malalaka hiditra ho isan’ireto izay mitoetra atỳ.

Ny nahatongavan’ilay «Solofo»

8 Mihainoa àry, ry Jesosy, mpisorona lehibe,

ianao sy ireo namanaomipetraka eo anoloanao:

– fa olona hatao fambara ireo:

Indro Aho efa hampiavy ilay Solofo, mpanompoko.

9 Fa inty ny vatonapetrako eo anoloan’i Jesosy;

maso fito no amin’izay vato tokana izay;

indro Aho efa hisikotra ny hosokirina aminy,

– teny marin’i Iavehn’ny tafika, –

ary hoesoriko indray andro monja

ny helok’ity tany ity!

10 Amin’izany andro izany, – teny marin’i Iavehn’ny tafika, –

samy hifanasa avy ianareo, eo ambanin’ny voaloboka sy eo ambanin’ny aviavy.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *