Categories
Zakaria

Zakaria 4

Fisehoana hita fahadimy: ny fanaovan-jiro sy ireo fototr’ôliva

1 Niverina ilay Anjely niresaka tamiko, ary nofohaziny, toy ny famoha olo-matory, aho,

2 sy nilazany hoe: «Inona no hitanao?» Ka hoy ny navaliko azy: «Nahita aho ka inty fanaovan-jiro maro rantsanairay, tena volamena izy manontolo misy tavy eo an-tampony, mitondra lalampy fito amam-pantsona fito avy amin’ireo lalampy eo an-tampon’ny fanaovan-jiro.

3 Ary hazo ôliva roa no manotrona azy, ny iray eo ankavanan’ny tavy, ary ny iray eo ankaviany.»

4 Dia notohizako ny teniko, ka hoy aho tamin’ilay Anjely niresaka tamiko: «Inona no hevitr’ireo zavatra ireo, tompoko?»

5 Namaly ilay Anjely niresaka tamiko ka nanao tamiko hoe: «Tsy fantatrao va ny hevitr’ireo zavatra ireo?» Ary hoy ny navaliko azy: «Tsia, tompoko.»

6 Dia namaly niteny ilay Anjely ka nanao tamiko hoe:

Teny telo momba an’i Zôrôbabela

«Izao no tenin’i Iaveh tamin’i Zôrôbabela, izany hoe: Tsy amin-tafika na amin-kery, fa amin’ny Fanahiko, hoy i Iavehn’ny tafika.

7 Iza moa ianao, ry tendrombohitra lehibe, eo anoloan’i Zôrôbabela? Ho tany lemaka ihany ianao. Ary izy hanangana ny vato hatao tendrony, eo amin’ny fihobiana hoe: ‹Fahasoavana, fahasoavana anie ho ao aminy!› »

8 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

9 Ny tanan’i Zôrôbabela no nametraka ny fanorenan’ity trano ity, ary ny tanany koa no hamita azy; ka dia ho fantatrao fa i Iavehn’ny tafika no naniraka ahy ho aminao.

10 Fa iza no hanamavo ny andron’ny zava-madinika? Hifaly izy ireo mahita ny pilao eny an-tanan’i Zôrôbabela.

Ireo lalampy fito ireo, dia ny mason’i Iaveh mitety ny tany rehetra.

11 Dia niteny indray aho, ka nanao taminy hoe: «Inona ireto ôliva roa, eo ankavanan’ny fanaovan-jiro sy eo ankaviany?»

12 Mbola niteny fanindroany koa aho, ka nanao taminy hoe: «Inona ireo sampahon’ôliva roa eo amin’ny lantônoara volamena, ikararànam-bolamena, ireo?»

13 Niteny tamiko izy nanao hoe: «Tsy fantatrao va ireo?» Ka hoy ny navaliko azy: «Tsia, tompoko.»

14 Ary hoy izy tamiko: «Ireo no zanaka roan’ny fanosorana, izay mitsangana eo akaikin’ny Tompon’ny tany rehetra.»

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *