Momba an’i Damasa
1 Faminaniana ny amin’i Damasa.
Indro fa i Damasa voaesotra tsy ho isan-tanàna intsony;
dia ho korontan-javatra foana izy!
2 Ny tanànan’i Aroerailaozana,
nafoy ho an’ny biby fiompy izy,
ka mijanona ao tsy misy mampiala azy.
3 Halana amin’i Efraima ny manda,
ary ny fanjakana amin’i Damasa;
ny sisa amin’i Siria,
ho toy ny voninahitry ny zanak’i Israely,
– teny ton’i Iavehn’ny tafika.
4 Izao no hiseho amin’izany andro izany:
ny voninahitr’i Jakôba halazo,
ny tavin’ny tavany hihamahia.
5 Amin’izany dia ho toy ny raha manangona ny amboarany ny mpijinja,
sy raha mitango ny salohim-bary ny tanany;
ho tahaka ny raha manangona salohim-bary ny olona,
eny amin’ny lohasahan-dRefaima.
6 Mbola hisy hotsimponina ihany izy,
toy ny raha manozongozona ny hazo ôliva
misy ôliva roa na telo eny an-tendrony indrindra,
misy efatra na dimy eny amin’ny rantsan’ny hazo,
– teny ton’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely.
Ho foana ny fanompoan-tsampy
7 Amin’izany andro izany
ny olona hijery any amin’Ilay nahary azy,
ary hibanjina ny Masin’i Israely ny masony.
8 Fa tsy hijery intsony any amin’ny ôtely asan-tanany izy;
tsy hibanjina intsony izay novolavolain’ny tanany;
dia ny aserah sy ny andrin’ny Masoandro.
Teny famelezana ny sahan’i Adônisy
9 Amin’izany andro izany ny tanànany mafy,
dia ho toy ny tanàna nilaozana eny an’ala aman-tendrombohitra
izay nilaozana teo anoloan’ny zanak’i Israely:
dia ho tany efitra.
10 Satria ianao nanadino ny Andriamanitry ny famonjena anao,
tsy nahatsiaro ny Vatolampin’ny herinao.
Koa dia mamboly voly mahafinaritra ianao,
ary foto-boaloboky ny olon-kafa firenena no ataonao ao.
11 Amin’ny andro ambolenao azy
dia fefenao manodidina izy,
ary ny ampitso maraina,
dia mampamony ny voa nafafinao ianao;
kanjo tsy azonao ny vokatra
amin’ny andron’ny faharariana amam-pangirifiriana mahafaty!
Fisamboaravoaran’ny firenen-kafa
12 Endrey izany fihahohahom-bahoaka be!
Mirohondrohona toy ny firohondrohon’ny ranomasina izy ireo.
firohondrohom-pirenena re izany!
13 Mirohondrohona hoatra ny rano mahery izy.
Mirohondrohona ny firenena toy ny firohondrohon’ny ranobe.
Kanjo rahonanyireny, dia mandositra lavitra,
dia tafaely toy ny mololo tsofin’ny rivotra eny an-kavoana,
toy ny vovoka mitambolimbolina eo anoloan’ny tafio-drivotra.
14 Amin’ny andro hariva dia indro ny fahareraham-po;
alohan’ny maraina dia tsy ao intsony ireny!
Izany no anjaran’ireo mandroba antsika,
izany no hanjò an’ireo mamabo antsika.