Categories
Izaia

Izaia 16

Mialokaloka ao Jodà ny Moabita

1 Alefaso ny zanak’ondry mpanapakany tany,

avy any Petrà, hamaky ny efitra,

ho any an-tendrombohitry ny zanakavavin’i Siôna.

2 Tahaka ny vorona mandositra

tahaka ny vorona iray akàny aely,

ny zanaka vavin’i Moaba,

eo amin’ny fitàna an’i Arnôna.

3 Aoka ianao hanoro hevitra anay, hanelanelana anay;

hanome aloka anay, toy ny amin’ny alina,

amin’ny mitatao vovonana;

hanafina ny enjehina, tsy hanondro ny mandositra!

4 Aoka ireo mpandositra avy any Moaba

hahazo mitoetra eo aminao;

aoka ianao ho fiereny,

tsy ho azon’ireo mpandringana izy;

fa mitsahatra ny fanafihana, tapitra ny fandravana,

lasa niala tamin’ny tany ny mpampahory.

5 Tafaorina amin’ny famindram-po ny seza fiandrianana,

ary ny hipetraka amin’izany seza fiandrianana izany,

araka ny fahamarinana,

eo an-dain’i Davida,

dia ny mpitsara anankiray mikendry ny rariny,

ary mazoto hampijoro ny fahamarinana.

Fitomaniana an’i Moaba

6 Fantatray ny avonavon’i Moaba,

ilay fatra-piavonavona,

ny rehareha aman’avonavony, ny anjonanjony

aman-teny mamitaka.

7 Koa aoka i Moaba hitomany an’i Moaba;

aoka hidradradradra izy rehetra!

Ny ampempam-boalobok’i Kira Hereseta,

no aoka hitomanianareo, amim-pahareraham-po mafy.

8 Fa zoin-doza avokoa ny sahan’i Hesebona;

ny amin’ny voalobok’i Sabamà,

dia efa noravan’ny tompon’ny firenena

ny sakeliny mandadina,

izay efa nisandrahaka hatrany Jazera,

nandroso tsy hita lany tany an’efitra,

nandefa lavitra ny solofony,

nampita ny ranomasina.

9 Koa mitomany toy ny itomanian’i Jasera aho,

momba ny voalobok’i Sabamà;

mandrotsaka ranomaso aminareo aho

ry Hesebona, ry Eleale,

fa ny vokatrareo amam-pararanonareo,

no nahatongavan’ny fanakoran’ny mpamia.

10 Foana ny fifaliana amam-piravoravoana

eo amin’ny sahan-kazo mamoa,

tsy misy hira na hobin-kafaliana intsony

eo amin’ny tanimboaloboka;

ny mpioty voaloboka, tsy mamia divay

eo amin’ny famiazana intsony;

efa natsahatra ny hobin’ny mpamia.

11 Koa mipararetra hoatra ny harpa

ny tsinaiko, noho ny amin’i Moaba;

sy ny foko noho ny amin’i Kira-Haresa.

12 Dia no hitan’ny olona i Moaba hisasatra

eo amin’ny fitoerana avony,

hiditra ao amin’ny fitoera-masiny izy hivavaka,

nefa tsy hahazo na inona na inona.

Tenin’Andriamanitra momba an’i Moaba

13 Izany no teny faminaniana nataon’i Iaveh fahiny elany amin’i Moaba.

14 Ary ankehitriny kosa miteny i Iaveh, ka manao hoe: «Ao anatin’ny telo taona, araka ny fanisana ny taona iasan’ny mpikarama, dia ho lefy ny voninahitr’i Moaba mbamin’ny vahoaka be ao aminy, fa zavatra kely foana no ho sisa, sady ho vitsy sy osa.»

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *