Categories
Hebrio

Hebrio 6

Fampisehoan’ny mpanoratra ny kendreny

1 Koa aoka hapetratsika ny abidim-pianarana ny amin’i Kristy, fa aoka handroso ho amin’izay lavorary kokoa isika, dia ny tsy haverintsika indray ireny foto-kevitra fanorenana ireny: dia ny fibebahana miala amin’ny asa maty, ny finoana an’Andriamanitra,

2 ny fianarana ny batemy samihafasy ny fametrahan-tanana, ny fitsanganana avy any amin’ny maty, ny fitsarana mandrakizay.

3 Izany tokoa no hataontsika raha avelan’Andriamanitra.

4 Fa izay efa nohazavaina indray mandeha, sy nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra, ary nandray ny Fanahy Masina,

5 sady efa nanandrana ny hamamin’ny tenin’Andriamanitra mbamin’ny asa mahagagan’ny fiainan-ko avy,

6 nefa nivadika, dia hataon’ireny ahoana ny hohavaozina indray ho amin’ny fibebahana, nefa anie mamàntsika ny Zanak’Andriamanitra amin’ny Hazofijaliana indray izy ireo, sady manolotra Azy halàm-baraka?

7 Hasoavin’Andriamanitra ny tany vontosan’ny orana milatsaka aminy matetika, ka mahavokatra anana tsara ho an’izay niasana azy;

8 fa hàlany sy efa hozoniny kosa raha maniry tsilo sy hery, ka ny hodoran’ny olona no hiafarany.

Teny fanantenana sy fampaherezana

9 Raha ny aminareo anefa, ry malala, na dia miteny izany aza izahay, dia zavatra tsaratsara kokoa sy mahavonjy anareo no antenainay.

10 Fa tsy mba tsy marina Andriamanitra, sanatria! Ka hanadino ny asanareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho voninahitry ny Anarany, tamin’ny nanampianareo sy mbola anampianareo ny olo-masina.

11 Irinay haneho fahazotoana toy izany koa ianareo tsirairay avy, hitana ny fanantenanareo feno sy lavorary hatramin’ny farany,

12 mba tsy hiketraka ianareo, fa hanahaka ireo mandova ny lova nampanantenaina noho ny finoany sy ny faharetany.

13 Tamin’ny fampanantenana nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama, noho ny tsy fisian’ny lehibebe kokoa noho ny Tenany, dia nianiana tamin’ny Tenany Izy.

14 Ka nanao hoe:Hosoaviko tokoa ianao, sy hohamaroiko koa;

15 ary nahazo ny nampantenaina azy io Patriarka io, satria niandry tamim-paharetana izy.

16 Fa ny lehibebe kokoa noho ny tenany no ianianan’ny olona, ary ny fianianana no ataony antoka ka entiny manapaka ny fifandirana rehetra.

17 Koa mba hanehoan’Andriamanitra mazavazava kokoa ny tsy fiovan’ny fikasany amin’ny mpandova ny fampanantenana, dia nohamafisiny tamin’ny fianianana izany,

18 mba ho zavatra roatsy manam-piovana sy tsy hain’Andriamanitra amitahana antsika no hahazoantsika fanalana alahelo mahery; fa efa mihazakazaka isika hihazona ny fanantenana natolotra antsika.

19 Izy io moa no tanantsika mova tsy vato fantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika, ary miditra any anatin’ny efitra lamba,

20 dia any amin’izay efa nidiran’i Jesoa ho Mpialoha antsika, rehefa nataompisorom-be mandrakizay araka ny fomban’i Melkisedeka.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *