Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 39

Ny mpanora-dalàna

1 Hafa noho izany izay mampiasa ny sainy,

sy mandinika ny lalàn’ny Avo Indrindra.

Mikatsaka ny fahendren’ny taloha rehetra izy,

ary ny androny malalaka dia atokany hisainana ny faminaniana.

2 Mitahiry ao an-tsainy ny filazan’ny olo-malaza izy,

ary mahatakatra ny oha-teny miolakolaka.

3 Mikaroka ny hevi-miafina amin’ny ohabolana izy,

ary mihevitra ny oha-teny misy ankamantatra.

4 Manao raharaha eo amin’ny lehibe izy;

ary miseho eo anatrehan’ny mpanapaka.

Mivahiny any an-tanin’ny firenen-kafa izy,

fa te hahalala ny soa sy ny ratsy eny amin’ny olona eny.

5 Mazoto fo tokoa izy ny mandeha vao maraina

hanatona ny Tompo nanao azy:

mivavaka eo anatrehan’ny Avo Indrindra izy;

manoka-bava hanao fivavahana,

ary mifona noho ny fahotany.

6 Raha izany no sitrapon’ny Tompo, izay lehibe,

dia ho feno fanahin’ny fahazavan-tsaina izy;

ka hamafy mikararana ny tenim-pahendrena,

ary hanome saotra ny Tompo, amin’ny fivavahany.

7 Ho hainy taritina ny fahamalinana amam-pahaizany,

ary hianatra ny misterin’Andriamanitra izy,

8 Hitory ny fahaizan’ny fampianarana izy,

ary hirehareha amin’ny lalàn’ny faneken’ny Tompo.

9 Maro no hidera ny fahazavan-tsainy,

ary tsy ho very tadidy na oviana na oviana izy;

tsy ho levona ny fahatsiarovana azy,

ary haharitra amin’ny taona mifandimby ny anarany.

10 Ny fireneny hitory ny fahendreny;

ary ny fiangonana hankalaza ny fiderana azy.

11 Raha mbola velona izy, mijoro ho malaza noho ny arivo hafa ny anarany;

ary rehefa hitsahatra indray izy, vao mainka hitombo ny voninahiny.

Miderà an’Andriamanitra

12 Mbola iriko ny hamoaka ny vokatry ny fandinihako,

satria feno toy ny volana eo amin’ny fenomanany aho.

13 Mihainoa ahy, ianareo zanaka tia vavaka, ary mitomboa

hoatra ny rôzy amoron’ny ranovelona:

14 aoka handraraka, hoatra ny emboka, ny fofonareo manitra;

ataovy mivelatra hoatra ny lisy ny voninareo.

Alefaso ny hanitrareo, ary mihirà hira fiderana,

ka mankalazà ny Tompo, noho ny asa rehetra nataony.

15 Omeo voninahitra ny anarany;

ataovy antso avo ny fiderana azy,

amin’ny hiran’ny vavanareo sy ny valihanareo,

ary ankalazao izy ataovy hoe:

16 Tsara dia tsara avokoa ny asan’ny Tompo,

ary ho tanteraka amin’ny fotoany izay rehetra efa nalahany.

17 Tsy mety ny milaza hoe: «Inona itony? Inona no asan’itony?»

fa samy hotadiavina amin’ny fotoany avy ny zavatra rehetra.

Tamin’ny teniny no niangonan’ny rano, toy ny antontan-javatra iray ihany,

ary ny tenin’ny vavany iray ihany no nisian’ny fiangonan-drano.

18 Noho ny didiny dia tonga izay tiany;

ary tsy misy mahasakana ny famonjena irahiny.

19 Eo anatrehany avokoa ny asan’ny nofo rehetra,

ary tsy misy afa-miery amin’ny masony.

20 Mahatratra hatramin’ny mandrakizay

ka hatramin’ny mandrakizay ny fijeriny,

ary tsy misy zava-mahagaga eo anatrehany.

21 Tsy mety ny milaza hoe: «Inona itony? Inona no asan’itony?»

fa noarîny hanan-toniany avokoa ny zavatra rehetra.

22 Tondraka hoatra ny ony ny fitahian’ny Tompo,

ary manondraka ny tany hoatra ny safodrano.

23 Manampatra ny hatezerany ho anjaran’ny firenena, toy izany koa izy,

tahaka ny nanaovany ny tany mando tsara ho tanin-tsira.

24 Mahitsy ny lalany ho an’ny olo-masina,

ary toy izany koa dia antom-pahalavoana ho an’ny ratsy fanahy izany.

25 Ny soa noarîna ho an’ny tsara, hatramin’ny voalohany,

ary toy izany koa ny loza ho an’ny ratsy fanahy.

26 Izao no zavatra ilaina indrindra, hiveloman’ny olombelona,

ny rano, ny afo, ny vy, ny sira,

ny lafarinam-bazaha, ny ronono, ny tantely,

ny ranom-boaloboka, ny diloilo, ary ny fitafiana.

27 Zava-tsoa ireo zavatra ireo, ho an’ny olona tia vavaka;

fa miova ho loza kosa izy ho an’ny mpanota.

28 Misy rivotra hanaovana famaliana,

ka ny loza avy aminy no avoakany amin’ny fisafoahany.

Hanampatra ny heriny izy, amin’ny andro fandravana,

dia hampitony ny hatezeran’Ilay nanao azy.

29 Ny afo aman-kavandra, ny mosary mbamin’ny pesta,

dia zava-noarîna ho famaizana avokoa ireny;

30 torak’izany koa ny nifin’ny biby masiaka,

ny maingoka sy ny menarana,

mbamin’ny sabatra mpandringana mampidi-doza ny ratsy fanahy.

31 Mifaly amin’ny didin’ny Tompo ireo zava-boaary ireo;

eto ambonin’ny tany ireny vonon-ko amin’izay ilana azy,

ka rehefa tonga ny fotoana, tsy diso manatanteraka ny didiny izy.

32 Izany no naharetako tsara, tamin’ny hevitro, hatramin’ny voalohany,

ka nony efa nandinika aho, dia nanao azy an-tsoratra:

33 Tsara avokoa ny asan’ny Tompo;

ka ataony vonona amin’izay ilany azy ny zavatra rehetra ilaina.

34 Tsy misy tokony hilazana hoe: «Ity ratsiratsy kokoa noho itsy»;

fa samy ho fantatra ho tsara avokoa izy, amin’ny fotoany.

35 Ary ankehitriny, mihirà, amin’ny fo rehetra sy amin’ny vava,

ka misaora ny Anaran’ny Tompo.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *