Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 36

Vavaka hahafahan’i Israely sy hiarenany

1 Mamindrà fo aminay,

ry Tompo Andriamanitr’izao rehetra izao, ka jereo:

2 ary arotsahy amin’ny firenena rehetra ny fampahatahoranao.

3 Atsangano hamely ny firenen-kafa ny tananao,

ary aoka ho tsaroan’ny ainy ny herinao.

4 Araka ny nanehoanao ny fahamasinanao teo anatrehan’izy ireo namay anay,

no anehoy ny fahalehibeazanao eo imasonay,

mamay ny mpampahory anay.

5 Ary aoka ho fantatr’izy ireo, tahaka ny nahafantaranay,

fa tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, ry Tompo!

6 Avereno indray ny famantarana, ataovy indray ny fahagagana,

7 ankalazao ny tananao sy ny sandrinao ankavanana.

8 Hetseho ny haviniranao, arotsaho ny hatezeranao,

9 aringano ny mpankahala, fongory ny fahavalo.

10 Hafaingano ny fotoana, ary tsarovy ny fianianana;

ka aoka hankalazaina ny asanao lehibe!

11 Aoka holevonin’ny afo mahamay izay sendra afa-nandositra,

ary ho hitan’izay mampahory ny vahoakanao ny fahaverezana.

12 Montsàny ny lohan’ny lehiben’ny fahavalo,

izay manao hoe: «Tsy misy afa-tsy isika ihany!»

13 Angony avokoa ny fokon’i Jakôba

ka avereno aminy indray ny lova

toy ny tamin’ny voalohany.

14 Tompo ô, mamindrà fo amin’ny vahoakanao,

izay antsoina amin’ny Anaranao,

sy amin’i Israely izay nataonao toy ny lahy matoa.

15 Iantrao ny tanàna misy ny fitoeranao masina,

dia i Jerosalema fitoerana fitsaharanao.

16 Fenoy ny teny tò avy aminao i Siôna

ary ny voninahitrao, ny vahoakanao.

17 Mitsangàna ho vavolombelona

miaro an’ireo zava-boaarinao hatramin’ny voalohany

ary tanteraho ny fampanantenana nataonao tamin’ny Anaranao.

18 Valio soa ireto olona manantena Anao,

ary aoka ho hita fa tò ny teny ny mpaminaninao.

Henoy, Tompo ô, ny vavak’izay mitalaho aminao.

19 araka ny tso-dranon’i Aarôna tamin’ny vahoakanao,

ary aoka ho fantatry ny mponina rehetra eto an-tany,

fa Ianao no Tompo Andriamanitra amin’ny taona rehetra.

Mahaiza mamantatra

20 Mandray hanina isan-karazany ny vavony,

nefa misy hanina tsaratsara kokoa noho ny hafa.

21 Fantatry ny lanilany amin’ny tsirony ny henan-java-dia;

ary fantatry ny fo manan-tsaina toy izany koa ny teny mamitaka.

22 Mahatonga alahelo ny fo ratsy,

nefa mitandrin-tena aminy ny olona mahalala zavatra.

Vehivavy hofidina

23 Raisin’ny vehivavy izao karazam-bady rehetra izao,

nefa misy zazavavy tsaratsara kokoa noho ny hafa.

24 Mahamiramirana endrika ny hatsaran-tarehim-behivavy,

ary mihoatra noho ny fanirian’ny lehilahy fatratra indrindra.

25 Raha hita eo amin’ny lelany koa ny hatsaram-po

aman-kalemem-panahy,

dia tsy anisan’ny zanak’olombelona tsotra izao intsony ny vadiny.

26 Efa nahazo ny fototry ny hareny ny olona mahazo vady,

izay manana mitovy aminy sy andry hiankinany.

27 Eo amin’izay tsy misy fefy, dia lasan-ko fandrobana ny tany:

eo amin’izay tsy misy vehivavy,

ny lehilahy dia misento mirenireny.

28 Zovy moa no hatoky ny jiolahy mailaka

izay mitety tanàna ombieny ombieny?

Toy izany ny lehilahy tsy manam-ponenana;

fa izay aharivan’ny andro no andriany.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *