1 Izay matahotra ny Tompo, tsy mba tongan’ny loza,
nefa raha zahan-toetra izy, dia vonjen’ny Tompo.
2 Ny olona hendry, tsy mba mankahala ny lalàna,
fa izay manao fihatsarambelatsihy aminy,
dia toy ny sambo anatin’ny tafio-drivotra.
3 Ny olona manan-tsaina, mitoky amin’ny lalàna,
ary ho azy ny lalàna dia mendrika hitokiana
toy ny filazan’ny Orima.
4 Omàny ny teninao, dia hohenoina ianao,
angony ny fahalalanao, vao mamaly ianao.
5 Sahala amin’ny kodiaran-tsarety ny fon’ny adala;
ary sahala amin’ny lahin-tangerina mihodina ny sainy.
6 Ohatra amin’ny sakaiza mifaniratsira, ny lahin-tsoavaly:
izay mitaingina azy rehetra, anenoany avokoa.
Saranga tsy mitovy
7 Nahoana ny andro iray
no mihoatra noho ny andro iray hafa,
nefa masoandro iray ihany
no iavian’ny hazavan’ny andro rehetra amin’ny taona?
8 Ny fahendren’ny Tompo no nanisy avakavaka amin’izy ireo;
Izy no nanendry fotoana samihafa sy fety.
9 Ka ny andro dia misy nasandrany sy nohamasininy,
ary misy nataony ho anisan’ny andro andavanandro.
10 Toy izany ny olombelona dia avy amin’ny tany avokoa;
dia ny tany nanaovana an’i Adama.
11 Nefa navakavahan’ny Tompo tamim-pahendrena lehibe izy ireo;
ary nampandehaniny amin’ny lalana samihafa.
12 Ny sasany, nambininy sy nasandrany;
ny sasany nohamasininy sy nampanakaikeziny Azy,
ny hafa kosa nozoniny sy naetriny,
ary naongany hiala amin’ny fitoerana nipetrahany.
13 Toy ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy,
ka ataony araka izay itiavany azy;
toy izany ny olombelona eo an-tanan’Ilay nanao azy,
ka homeny araka izay heviny avy izy ireo.
14 Eo anatrehan’ny ratsy ny tsara,
eo anatrehan’ny fahafatesana ny fiainana;
toy izany koa ny mpanota dia eo anatrehan’ny marina.
15 Diniho torak’izany avokoa ny asan’ny Avo Indrindra:
Mifanindrana tsiroaroa izy, ka ny iray mifanohitra amin’ny iray hafa.
16 Izahoizay tonga farany,
dia nanokana ny fiaretan-toriko ho an’ny fahendrena;
tahaka an’izay mitsimpona voaloboka aorian’ny fitoazana azy,
fa noho ny fitahian’ny Tompo nandroso any aloha aho
ka nameno ny famiazana, hoatra ny mpioty voaloboka.
17 Mieke fa tsy miasa ho an’ny tenako samy irery aho,
fa ho an’izay rehetra mitady ny fahendrena koa.
18 Koa mihainoa ahy, ianareo lehiben’ny vahoaka;
mampandria sofina amiko ianareo mpitondra fiangonana.
Fahaleovan-tena
19 Na zanaka, na vady, na rahalahy, na sakaiza,
dia aza misy omenao fahefana aminao,
raha mbola velona koa ianao.
Ka aza afoy ho an’ny hafa ny harenao,
fandrao ianao indray no voatery tsy satry hiambezo aminy.
20 Raha mbola velona sy manam-pofon’aina koa ianao,
aza ivarotana tena na iza na iza nofo.
21 Satria aleo ny zanakao no mangataka aminao,
toy izay ianao no hangata-maso amin’ny tanan’ny zanakao.
22 Amin’izay rehetra ataonao mahareta ho tompony,
ary aza asiana takaitrany iray ny lazanao.
23 Rehefa tonga ny fara andro iainanao,
sy ny fotoana hahafatesanao, vao zarao amin’ny mpandova ny anananao.
Ny mpanompo
24 Ny vilona sy ny tsora-kazo ary ny entana no an’ny ampondra,
ny hanina sy ny famaizana ary ny asa kosa, an’ny mpanompo.
25 Ampiasao ny mpanomponao, dia hanam-pitsaharana ianao,
fa raha avelanao hanao izay tiany izy,
dia hitady fahafahana.
26 Ny jioga aman-koditra no mampilefaka ny hatoka;
ny fampijaliana amam-pangirifiriana no an’ny mpanompo ratsy fanahy.
27 Iraho izy hiasa, mba tsy hipetraka midonana-poana;
fa mampiana-dratsy maro ny fidonanaham-poana.
28 Asaovy manomboka miasa izy, fa izany no tandrify azy;
ary raha tsy manaiky izy, tereo ny parapaingony.
Nefa aza mihoatra ny etra, na amin’iza na amin’iza;
ary aza manao zavatra mifanohitra amin’ny rariny.
29 Raha mana-mpanompo ianao, dia aoka ho toy ny tenanao izy,
fa tamin’ny ra no nahazoanao azy.
30 Raha mana-mpanompo ianao,
ataovy toy ny tenanao no fitondra azy,
fa izany no hanintonanao azy, hiraikitra amin’ny fanahinao.
31 Raha ratsy fitondra azy ianao, ka mitsoaka mandositra izy,
aiza no lalan-kalehanao hitady azy?