Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 27

1 Maro no manota hahazoam-bola;

ary izay maniry hanan-karena dia mamily ny masony.

2 Mitsofoka anelanelan’ny vato roa ny tsimatra;

miditra anatin’ny fivarotana sy fividianana toy izany koa ny ota.

3 Raha tsy miraikitra mafy amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra ianao,

dia ho rava faingana ny tranonao.

Ny teny lazaina

4 Amin’ny fanetsiketsehana ny sivana, no ijanonan’ny faikany betsaka;

amin’ny tenin’ny olona koa, no isehoan’ny kilemany.

5 Ny memy no fizahan-toetra ny sinin’ny mpanao tanimanga;

ary ny resany kosa no fizahan-toetra ny olombelona.

6 Ny voan’ny hazo no ahafantarana ny tany aniriany;

toy izany koa ny teny maneho ny hevitry ny fon’ny olombelona.

7 Aza midera olona alohan’ny nitenenany,

fa ny teny no fizahan-toetra ny olombelona.

Ny rariny

8 Raha mikatsaka ny fahamarinana ianao, dia hahatratra azy,

ka hitafy azy toy ny akanjom-boninahitra.

9 Mivory eo amin’izay namany ny vorona;

miverina amin’izay manaraka azy, toy izany koa, ny fahamarinana.

10 Ny liona mikendry ny rembiny;

toy izany koa ny fahotana mikendry izay manao ny tsy rariny.

11 Fahendrena mandrakariva ny tenin’ny olona tia vavaka;

fa miovaova hoatra ny volana kosa, ny adala.

12 Tandremo ny fotoana raha ho any amin’ny adala ianao,

fa ny olona mieritreritra kosa dia aoka ho eo afovoany mandrakariva ianao.

13 Maharikoriko ny resaky ny adala:

mikakakaka eo amin’ny hafaliana noho ny fahotana ny hehiny.

14 Mampitsangana ny volon-doha ny fitenin’izay fatra-pianiana,

rehefa izy no mifanditra, mitampin-tsofina ny olona.

15 Mahalatsa-dra ny fifandiran’ny mpiavonavona;

ary mampalahelo ny mihaino ny famoapoàhany.

Ny tsiambaratelo

16 Very ny fitokiana an’izay manambara ny tsiambaratelo

ary tsy hahita sakaiza araka ny sitrany intsony izy.

17 Tiavo ny sakaizanao, ary aza mivadika aminy;

fa aza midodododo any aminy intsony,

raha manambara ny tsy ambaratelo avy aminy ianao.

18 Satria toy ny olona namono nahafaty ny fahavalony

no namonoanao ny fitiavan’ny namanao.

19 Ary toy ny raha navelanao handositra ny vorona teo an-tananao

no nampandosiranao ny sakaizanao, tsy hahatratra azy intsony ianao.

20 Aza manenjika azy, fa efa lasa lavitra izy,

nandositra toy ny gazela tafatsoaka tamin’ny fandrika izy.

21 Bandìna ny ratra, ary toy izany koa no hihavanana indray,

rehefa nifanala baraka;

fa raha izay nanambara ny tsy ambaratelo kosa,

dia tsy manam-panantenana intsony.

Fihatsarambelatsihy

22 Mamoron-tsy fahamarinana izay maniringiri-maso,

ary tsy misy olona afa-miala amin’izany.

23 Eo imasonao izy malefaka am-bava erỳ, migaga ny teninao;

nony avy eo anefa izy mivadika ny fiteniny,

ary ahodiny any amin’ny hevitra mamohehatra ny teninao.

24 Maro ny zavatra tsy tiako mainty, fa tsy misy tahaka io;

ary ny Tompo koa mankahala azy.

25 Izay manipy vato savoan-danitra manipy azy amin’ny lohany;

toy izany ny famelezana am-pitaka, mandratra ny mpamitaka.

26 Izay mihady lavaka no hianjera ao;

ary izay mamela-pandrika no ho voan’izany.

27 Izay manao ratsy, hahita izany ratsy izany

hanakodia ny tenany,

ary tsy ho fantany akory, izay iavian’izany aminy.

28 Ao am-bavan’ny mpiavona ny fananihaniana amam-panalam-baraka,

fa mihendry azy toy ny liona kosa ny famalian-dratsy.

29 Ho voan’ny fandrika izay mifaly amin’ny manjò ny tia vavaka,

ary ho levon’ny fijaliana alohan’ny hahafatesany izy.

Lolom-po

30 Mendrika hankahalaina koa ny lolom-po amam-pahatezerana,

ary manana izany ny mpanota.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *