Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 25

Ohabolana

1 Misy zavatra telo ankasitrahiko,

sady tsara izy ireo eo anatrehan’ny Tompo sy ny olombelona:

dia ny fifanarahan’ny mpirahalahy, ny fifankatiavan’ny mpihavana,

ary ny fifanarahan’ny mpivady tsara.

2 Fa misy olona telo karazana halako,

sady tena tsy tiako fiaina mihitsy:

dia ny mahantra miavonavona, ny mpanana manambaka,

ary ny anti-panahy manaram-batana, tsy misy saina.

Ny zokiolona

3 Tsy nahangona na inona na inona ianao tamin’ny fahatanoranao,

ahoana no hanananao amin’ny fahanteranao?

4 Zavatra tsara loatra ny itsaran’ny fotsy volo araka ny mety

sy ny ahalalan’ny anti-panahy ny hevitra tsara!

5 Tandrifiny tsara ho an’ny anti-panahy ny fahendrena,

ary ho an’izay hajaina, ny fahamalinana amam-pisainana.

6 Ny fehilohan’ny anti-panahy dia ny nahitany zavatra betsaka.

Ny voninahiny, dia ny fahatahorana ny Tompo.

Ohabolana ambara amin’ny isa

7 Misy zavatra sivy tombanan’ny foko ho mahafaly,

ary ny iray fahafolo koa ankalazain’ny lelako.

Ny olona mahazo hafaliana amin’ny zanany,

izay ampy andro iainana, hahita ny faharavan’ny fahavalony.

8 Sambatra izay miara-monina amin’ny vehivavy manan-tsaina;

mbamin’izay tsy manota amin’ny lelany.

Sambatra izay nahazo sakaiza mahatoky,

mbamin’izay tsy manompo tompo tsy manendrika azy!

9 Sambatra izay mahazo fahamalinana,

sady mampianatra izany amin’ny sofina mitandrina!

10 Endrey ny halehiben’ny olona nahazo fahendrena!

kanefa tsy ambony noho izay matahotra ny Tompo izy.

11 Mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fahatahorana ny Tompo;

zovy moa no hampitahaina amin’izay manana azy?

Ny fahatahorana ny Tompo no fiandohan’ny fitiavana Azy,

ary ny finoana no fiandohan’ny firaiketana amin’Andriamanitra.

Ny vehivavy

12 Ny fahoriana rehetra anie, fa aza ny fahorian’ny fo;

ny hasomparana rehetra anie, fa aza ny hasomparan’ny vehivavy!

13 Ny loza rehetra anie, fa aza ny loza afitsoky ny rafilahy,

ny famaliana rehetra anie, fa aza ny famalian’ny fahavalo!

14 Tsy misy poizina ratsy noho ny poizin’ny menarana;

ary tsy misy hatezerana lehibe noho ny hatezeran’ny vehivavy.

15 Aleo miara-monina amin’ny liona sy ny dragona,

toy izay miara-monina amin’ny vehivavy ratsy fanahy.

16 Manova endrika ny vehivavy ny haratsiam-panahiny,

fa manamainty ny tarehiny tahaka ny lasàka.

17 Mba mandeha mipetraka eo amin’ireo sakaizany ny lahy,

ka misento fatratra izy, mandre an’ireo!

18 Maivana ny haratsiana rehetra,

miolotra amin’ny haratsian’ny vehivavy:

aoka ny anjaran’ny mpanota hianjera aminy.

19 Sahala amin’ny fiakarana be fasika, amin’ny tongotry ny anti-panahy,

ny vehivavy basivava amin’ny vadiny bonaika.

20 Aza mety ho sodokan’izay hatsaran-tarehim-behivavy,

aoka tsy hisy vehivavy hamelom-paniriana anao.

21 Zava-mahatezitra, fahafaham-baraka aman-kenatra be vava

raha vehivavy mamonona fivelomana ho an’ny lahy.

22 Hareraham-po, endrika malahelo, fahoriam-panahy;

izany no vokatry ny vehivavy ratsy fanahy.

Tanana osa, lohalika ketraka:

izany no vokatra avy amin’ny vehivavy tsy manome hafaliana ny vadiny.

23 Vehivavy iray no niandohan’ny fahotana:

ka izy no anton’ny hahafatesantsika rehetra

24 Aza avela hanam-pivoahana ny rano,

na hanam-pahefana akory ny vehivavy ratsy.

25 Raha tsy mandeha araka izay itarihan’ny tananao azy izy,

esory ho afaka amin’ny vatanao.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *