1 Midera ny tenany ny fahendrena,
ary manome voninahi-tena eo amin’ny vahoakany izy.
2 Miloa-bava eo amin’ny fiangonan’ny Avo Indrindra izy,
ary manome voninahi-tena eo anatrehan’ny fiandrianany, hoe:
3 «Nivoaka avy amin’ny vavan’ny Avo Indrindra aho,
ary nanarona ny tany, sahala amin’ny rahona.
4 Nonina tany amin’ny avo aho;
ary ny seza fiandrianako, dia eo an-tampon’ny andry rahona.
5 Izaho irery no nahatety ny faritra manodidina ny lanitra,
ary nitsangantsangana tany amin’ny halalin’ny hantsana.
6 Tanatin’ny onjan-dranomasina sy tambonin’ny tany rehetra,
tamin’ny vahoaka rehetra, sy tamin’ny firenena rehetra
dia nampiasa ny fahefako aho.
7 Teny amin’izy rehetra aho, nitady ny fitoerana ho fitsaharako,
sy izay tany tsy maintsy honenako.
8 Tamin’izay, nampitondra didy tamiko Ilay Mpahary ny zavatra rehetra;
ary nampijanona ny laiko Ilay nahary ahy,
ka nanao tamiko hoe: ‹Monena amin’i Jakôba,
aoka ho amin’i Israely ny lovanao.›
9 izaho dia efa noarîna hatramin’ny voalohany,
talohan’ny taona rehetra,
ary tsy hitsahatra ny ho misy aho, hatramin’ny mandrakizay.
10 Nanao ny fandraharahanateo anatrehany aho,
teo amin’ny tabernakla masina,
ka dia nanana fonenan-draikitra tao Siôna aho.
11 Nampijanona ahy toy izany koa izy tao amin’ny vohitra malala,
ka dia ao Jerosalema no fipetrahan’ny fanjakako.
12 Nandatsa-paka aho teo amin’ny vahoaka be voninahitra,
teo amin’ny anjaran’ny Tompo, teo amin’ny lovany.
13 Nisondrotra toy ny sedera eny Libàna aho,
sy tahaka ny sipresa, eny an-tendrombohitra Hermôna.
14 Nisondrotra toy ny antrendry eny amoron-drano aho,
sy tahaka ny rôzy eny Jerikao;
tahaka ny fototr’ôliva tsara eny amin’ny tany lemaka,
ary nisondrotra tahaka ny platàna.
15 Nandefa fofona manitra tahaka ny kanela sy ny ditin-kazo manitra aho,
ary nandraraka fofona mamerovero, toy ny mira voafantina,
toy ny galbanôma, ny ôniksa, ny stakta,
ary tahaka ny eton’emboka eo amin’ny tabernakla.
16 Namelatra ny rantsako toy ny terebinta aho,
ary ny sampako dia sampan’ny voninahitra amam-pahasoavana.
17 Nandefa tsiry mahafinaritra,
toy ny foto-boaloboka aho,
ary voam-boninahitra aman-karena no avy amin’ny voniko.
Renin’ny fitiavana madio, ny fahatahorana an’Andriamanitra,
ny fahaizana ary ny fanantenana masina aho.
18 Avia atỳ amiko ianareo rehetra maniry ahy,
ka mivokisa amin’ny voako ianareo.
19 Fa mamy noho ny tantely ny fahatsiarovana ahy,
ary noho ny toho-tantely, ny fananana ahy.
20 Izay mihinana ahymbola ho noana,
izay misotro ahy mbola hangetaheta.
21 Izay mihaino ahy tsy ho menatra mandrakizay,
ary na iza na iza, raha izaho no entiny miasa, tsy mba hanota.»
Ny fahendrena sy ny lalàna
22 Izany rehetra izany dia ny bokin’ny faneken’Andriamanitra Avo Indrindra, lalàna nomen’i Môizy,
ho lovan’ny fiangonan’i Jakôba.
23 Izany lalàna izany no mahatondraka ny fahendrena tahaka an’i Fisôna,
tahaka an’i Tigra, amin’ny fotoan’ny voankazo vao.
24 Mandefa onjam-pahalalana tahaka an’i Eofrata izy,
tahaka an’i Jordany amin’ny taom-pijinjana.
25 Mampiboiboika ny fahaizana, tahaka ny Onyizy;
tahaka an’i Gehôna, amin’ny fotoam-piotazam-boaloboka.
26 Ny voalohany nianatra azy, tsy nahatapitra ny fahalalana azy;
ary ny farany, tsy mbola nahatakatra azy.
27 Fa malalaka noho ny ranomasina ny sainy,
ary lalina noho ny hantsana lehibe ny fisainany.
28 Ary izaho dia nisononoka toy ny lakan-drano avy amin’ny ony,
tahaka ny tetezan-drano manondraka tanimboly mahafinaritra.
29 Hoy aho: «Hanondraka ny tanimboliko aho,
handena ny kisahasahako,
ary indro fa tonga ony ny lakan-dranoko,
tonga ranomasina ny oniko.»
30 Koa mbola maniry hampamirapiratra ny fahendrena
hoatra ny mazava atsinanana aho
sy hampahalala ny foto-kevitra any lavitra any.
31 Mbola iriko koa ny hampiely ny fampianarana,
hoatra ny faminaniana,
sy hamela azy ho lovan’ny taranaka any aoriana any.
32 Fantaro fa tsy miasa ho an’ny tenako irery aho,
fa ho an’izay rehetra mitady ny fahendrena.