Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 23

1 Tompo ô, ry Ray sy Tompo tokan’ny aiko,

aza afoinao ho amin’ny hevitry ny molotro aho,

ary aza avelanao aho hahita izay hahalavo ahy eo!

2 Iza no hampahatsiaro kotopia ny hevitro,

fifehezan’ny fahendrena ny foko,

ka tsy hitsimbina ahy amin’ny hadalako,

sy tsy hamela ahy hiarana amin’ny fahotana;

3 fandrao dia mitombo ny hadalako,

sy mihamaro ny fahotako,

ka lavo eo ny fahavaloko amin’ny momba ahy.

4 Ry Tompo, Ray sy Andriamanitry ny aiko,

aza omena fanarana-maso aho,

5 ary avilio hiala amiko ny fanirian-dratsy.

6 Aoka tsy hahazo ahy, ny filan’ny nofo amam-panaranam-batana,

ary aza atolotra amin’ny fanahy tsy maotona aho.

Fianianana

7 Anaka, henoy ny fifehezan’ny vava,

fa izay hitandrina izany, tsy ho voafandrika.

8 Ho voafandriky ny molony ny mpanota,

hahita izay hahalavo azy eo, ny mpifosa sy ny mpaniratsira.

9 Aza manazatra ny vavanao hanao fianianana;

ary aza mihazatra hanonona ny Anaran’Ilay Masina.

10 Fa toy ny mpanompo asiana fampijaliana matetika

tsy mety ho afa-dratra;

toy izany izay mianiana sy manonona tsy an-kijanona

ny Anaran’ny Masina,

tsy mety ho afaka amin’ny fahotana.

11 Mampitombo ny tsy fahamarinana ny olona mahery mianiana,

ka tsy hialan-kotopia ny tranony,

raha nanao izay mahameloka azy izy dia ao aminy ny fahotany;

raha tsy ahoany izany dia avo sasaka ny fahotany.

Raha manao fianianana tsy marina izy tsy havela heloka,

fa ho tototra famaizana ny tranony.

Teny maloto

12 Misy teny miantso ny fahafatesana;

tsy hisy izany anie, eo amin’ny lovan’i Jakôba!

Lavitra ny olona tia vavaka izany rehetra izany;

tsy mba miditra amin’izany fahotana izany izy.

13 Aza manazatra ny vavanao amin’ny fomba fiteny ambany ratsy,

fa mitarika amin’ny fiteny mahameloka izany.

14 Tsarovy ny rainao sy ny reninao,

raha mitoetra eo amin’ny lehibe ianao,

fandrao raha manadino azy eo anatrehan’ireo ianao,

tonga manao hadalana, noho ny fahazarana,

ka hanjary maniry ny tsy ho nateraka akory,

sy manozona ny andro nahaterahanao.

15 Ny olona zatra amin’ny fiteny ambany ratsy foana,

tsy mba hahatratra ny fahendrena, na oviana na oviana.

Vehivavy janga

16 Roa karazana ny olona mitombo fahotana;

ary ny fahatelo miantso ny fahatezerana.

Ny olona mirehitra ny fanirian-dratsy, hoatra ny afo midedadeda,

tsy maty mandra-pahalevony.

Izay tsy madio amin’ny nofon’ny tenany,

tsy hijanona mandra-pirehitry ny afo:

17 Mamy avokoa ny hanina, amin’ny mpanaram-batana,

ka tsy hijanona izy mandra-pahafatiny.

18 Ny olona mandao ny fandrian’izy mivady,

dia manao anakampo hoe: «Iza no hahita ahy?

Ny haizina manarona, ny rindrina manakona ahy;

ary tsy misy olona mitazana ahy; ka inona no hatahorako?

Ny Avo Indrindra, tsy hahatsiaro izay fahotako akory.»

19 Tsy manan-tahotra ny mason’ny olombelona,

tsy fantany fa ny mason’ny Tompo

mamirapiratra inarivo hoatry ny masoandro,

ka voajeriny avokoa ny lalan’ny olombelona,

ary takany hatrany amin’ny fitoerana maizina.

20 Fantatry ny Tompo, talohan’ny nahariana azy, izao tontolo izao;

ary mbola fantany koa rehefa tanteraka ireny.

21 Hofaizina eny an-dalamben’ny tanàna ny mpaka vadin’olona;

ary amin’ny fotoana tsy nampoiziny akory no hahavoazany.

Tenin’ny fahendrena

22 Torak’izany koa ny vehivavy nandao ny vadiny,

sy niteraka mpandova amin’ny firaisana amin’olon-kafa.

23 Satria voalohany, nandika ny lalàn’ny Avo Indrindra izy;

manaraka izany meloka tamin’ny vadiny izy;

farany nanao fijangajangana izy,

sy niteraka zaza, avy amin’ny ran’olon-kafa.

24 Hoentina eo anatrehan’ny fiangonana izy;

ary ny famaizana hitsidika ny zanany.

25 Ny zanany tsy handatsa-paka,

ary ny sampany tsy hitondra voa.

26 Hamela fahatsiarovana voan’ny fanozonana izy;

ary ny fanalam-baraka azy, tsy ho faty na oviana na oviana.

27 Dia ho fantatr’izay ho avy any aoriana

fa tsy misy tsara noho ny fahatahorana ny Tompo;

tsy misy mamy noho ny mitandrina ny didiny.

Voninahitra lehibe ny manaraka ny Tompo;

manalava andro iainana, ny miraikitra aminy.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *