1 Amin’izay hitsangana amim-pitokiana lehibe ny marina, eo anoloan’izay nanenjika azy, sy nanamavo ny fisasarany.
2 Raha hahita izany izy ireo dia hihavatràvatra amim-pivadiham-po mahatsiravina; ho àna foana amin’ny fanehoana ny famonjena;
3 hifampiteny izy sady henika ny nenina sy hitoloko amim-pangitaham-po mafy hanao hoe:
«Indro ilay nataontsika fihomehezantsika fahiny, sy izay nokendren’ny fandatsantsika!
4 Adala isika nanao ny toe-piainany ho hadalana, sy ny hiafarany ho fahafaham-baraka!
5 Kanjo indro, ny tenany eo amin’ny zanak’Andriamanitra, ary ny anjarany eo amin’ny olo-masina!
6 Koa maniasia isika lavitry ny lalan’ny fahamarinana; tsy namirapiratra tamintsika ny fahazavan’ny fahamarinana; ary tsy niposaka tamintsika ny masoandro.
7 Niala liana teny amin’ny lalan’ny tsy fahamarinana amam-pahaverezana isika, nizotra tamin’ny tany efitra tsy misy lalana isika, ka tsy nahalala ny lalan’ny Tompo.
8 Nahasoa antsika inona ny avonavona? Inona no soa azontsika tamin’ny harena aman-draharaha?
9 Ireny zavatra rehetra ireny dia nandalo toy ny aloka, toy ny hahohaho lasa nihelina;
10 toy ny sambo mamaky rano manonja, ka tsy mety ho hita akory izay dian’ny nalehany, na ny mariky ny montsìfany ao afovoan’ny rano;
11 na toy ny voromanidina mamakivaky ny rivotra, ka tsy misy hita akory izay dian’ny nalehany; fa mikopaka elatra mamely ny rivotra maivana izy, manao an’ezaka mafy mamaky azy, manori-dalana eo izy manakopaka ny elany, nony inona dia tsy hita velively izay dian’ny nolalovany.
12 Na tahaka ny zana-tsipìka efa nalefa amin’izay kendrena, ka miverina amin’izay nisy azy teo indray ny rivotra nalehany; dia tsy hita intsony ny toerana nolalovany.
13 Toy izany koa isika, fa teraka isika ary izao tapitra ny aintsika; tsy mba mana-mariky ny hatsaram-panahy haseho akory isika, ary mbola eo anatin’ny tsy fahamarinantsika isika dia efa voaesotra».
14 Marina izany fa ny fanantenan’ny ratsy fanahy dia tahaka ny volo malemy entin’ny rivotra, tahaka ny fanala maivana aelin’ny ranonoram-baratra, tahaka ny setroka ahahaky ny tsio-drivotra, tahaka ny fahatsiarovana ny vahiny indray andro mihelina.
15 Fa ny marina kosa velona mandrakizay; ny valisoany eo amin’ny Tompo; ary ny Tsitoha no miahy azy ireo.
16 Ka dia horaisiny avy eo an-tanan’ny Tompo ny fanjakana tsara indrindra aman-tsatroboninahitra mamirapiratra; fa hiaro azy ireo amin’ny tanany ankavanana Izy, ary hosaronany amin’ny sandriny toy ny amin’ny ampinga.
17 Handray ny zotom-pony ho fiadiana izy, ary ny zava-boaary homeny fiadiana, hoentiny mamaly ny fahavalony.
18 Hitafy ny fahamarinana ho fiarovan-tratra izy, ary handray ny fitsarana marina ho fiarovan-doha.
19 Handray ny fahamasinana ho ampinga tsy lai-piadiana izy.
20 Hanao sabatra maranitra izy amin’ny hatezerany tsy azo ifonana, ary hiaraka aminy hiady amin’ny adala avokoa izao tontolo izao.
21 Hitsoriaka ny hela-baratra mikendry tsara, ary avy amin’ny rahona ny zana-tsipìka avy amin’ny tsipìka voahenjana mafy dia hanidina hiantefa amin’izay nikendrena azy.
22 Handefa havandra mivatravatra ny hatezerany toa milina fandefasam-bato; hisamboaravoara hamely azy ny ranomasina, ary ny ony hivarina mafy erỳ aminy.
23 Hitsangan-kamely azy ireo, ny fifofofofon’ny herin’Andriamanitra ary ampihahaka azy toy ny tadio; ka dia hovan’ny tsy fahamarinana ho efitra ny tany; ary haongan’ny faharatsiana, ny seza fiandrianan’ny mahery.