Categories
Fahendrena

Fahendrena 4

1 Aleo ny momba, manan-katsaram-panahy; fa maharitra mandrakizay ny fahatsiarovana azy, satria fantatr’Andriamanitra sy ny olombelona izy.

2 Raha eo imaso izy, alain’ny olona tahaka; rehefa tsy eo intsony malahelo azy ny olona; voasatroboninahitra any amin’ny mandrakizay izy, fa nahazo fandresena tamin’ny ady tsy mahaloto.

3 Fa ny taranaka maron’ny ratsy fanahy kosa tsy vanon-ko inona; zazasary no fototra iaviany, ka tsy ho latsaka lalina ny fakany; ary tsy ho fanorenana mahatoky no hiorenany.

4 Na ho maro sampana maitso vetivety aza izy, noho izy tsy miorina mafy amin’ny tany, dia ho voahozongozon’ny rivotra izy ary ho voaongotry ny ranonoram-baratra mahery.

5 Ny sampany, ho folaka an-dantony; ny voany tsy ho vanon-ko inona, fa maisatra tsy fihinana, ary tsy azo atao na inona na inona.

6 Satria ny zaza teraka avy amin’ny torimaso maloto dia vavolombelon’ny helo-drainy aman-dreniny raha avy izay hamotorana an’ireo.

Ny olo-marina folaka an-dantony

7 Ny marina kosa na maty alohan’ny fotoana aza, mahita fitsaharana.

8 Ny fahanterana manan-kaja, tsy dia izay avy amin’ny andro lava iainana, na izay lanjaina araka ny hamaroan’ny taona.

9 Fa ny fahamalinana no solon’ny volo fotsy ho an’ny olombelona; ary ny toe-piainana tsy misy tsiny no taonan’ny fahanterana.

10 Noho izy nahafaly an’Andriamanitra dia tiany, ary raha niara-belona tamin’ny mpanota izy dia voafindra.

11 Nesorina izy, fandrao simban’ny hasomparana ny sainy, na ovan’ny hafetsen-dratsy ny fanahiny.

12 Fa mahatakona ny soa, ny fanangolena avy amin’ny haratsiam-panahy, ary manimba ny saina tsotra ny fandrebireben’ny fitongilanan-dratsy.

13 Anatin’ny andro vitsy no nahatongavany amin’ny fahalavorariana, ka lalan-davitra no afany.

14 Fa nankasitrahin’ny Tompo ny fanahiny, ka izany no nanafainganany ny nanesorany azy teto amin’ny tsy fahamarinana.

15 Mahita izany ny vahoaka ka tsy mahalala izay antony, fa tsy mandatsaka an-tsainy izy hoe ny fahasoavana amam-pamindram-pon’Andriamanitra momba ny olom-pinidiny ary miahy ny olo-masiny Izy.

16 Ny marina maty anefa manameloka ny ratsy fanahy mbola velona; ary ny fahatongavan’ny tanora faingana amin’ny fahalavorariana manameloka ny olona tsy marina tratra antitra.

17 Hahita ny fiafaran’ny hendry izy ireo, fa tsy ho fantany ny hevitr’Andriamanitra ny aminy, na ny antony nampandrian’ny Tompo feizay azy.

18 Hahita izy ireo, ka hihomehy, fa mba hihomehezan’ny Tompo kosa izy,

19 ary raha efa izany dia hanjary faty tsy misy hajany izydia ho anisan’ny maty ho afa-baraka mandrakizay. Ny Tompo hanorotoro azy, ary hataony tsy manan-kalahatra izy, dia havariny; hohozongozoniny amin’ny fanorenany, ho ringana avokoa hatramin’ny farany, ho azom-pahoriana izy, ary ho faty ny fahatsiarovana azy.

Ny marina sy ny tsara fanahy eo amin’ny fitsarana

20 Ho tonga izy amim-pivadiham-po noho ny fieritreretany ny fahotany, ary hitsangana eo anatrehany ny helony hiampanga azy.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *