Ny miandry ny olo-marina sy ny olon-dratsy.
1 Eo an-tanan’Andriamanitra ny fanahin’ny marina, ka tsy mahatratra azy ny fijaliana.
2 Hoatry ny maty izy, araka ny fiheveran’ny adala azy, ary hoatry ny loza ny fiàlany amin’izao fiainana izao,
3 ary toa fahalevonana ny fandehany avy eo afovoantsika; kanjo ao anatin’ny fiadananaizy.
4 Na dia niharan-tsazy aza izy, eo imason’ny olombelona, ny fanantenany kosa henika ny tsy fetezana ho faty.
5 Rehefa afaka ny fijaliana maivanafoana dia handray valisoa lehibe izy: fa efa nozahan’Andriamanitra toetra izy, ka hitany ho mendrika Azy.
6 Notsapainy toy ny volamena atao amin’ny memy izy, ka nankasitrahiny, toy ny sorona dorana lavorary.
7 Amin’ny andro hamalian-tsoa azy, hamirapiratra izy ireo; tahaka ny kilalaon’afo hivoivoy haingana amin’ny bozaka.
8 Hitsara ny firenena sy hanapaka ny vahoaka izy; ary hanjaka aminy mandrakizay ny Tompo.
9 Izy ireo niantehitra taminy ka hahafantatra ny marina; hiara-monina aminy amim-pitiavana, ny miraiki-po aminy, satria ho an’ny olom-pinidiny ny fahasoavana amam-pamindram-po.
10 Hihatra amin’ny ratsy fanahy kosa ny sazy tandrifin’ny hevi-dratsiny; fa izy naniratsira ny olo-marina, sady nihataka tamin’ny Tompo.
11 Fa na zovy na zovy manary ny fahendrena amam-pananarana dia voatendry ho amin’ny loza: foana ny fanantenany, tsy mahavokatra ny fisasarany, tsy misy tombony ny asany;
12 adalany vadiny, feno haratsiana ny zanany; ary voaozona ny taranany.
Aleo momba toy izay ratsy taranaka
13 Noho izany sambatra ny vehivavy momba, tsy misy panda, tsy azon’ny fahalotoana ny fandriany! Fa hahazo ny vokany izy, amin’ny andro hamangiana ny fanahy.
14 Sambatra koa ny eonòka, tsy mbola nahalala heloka ny tanany, sady tsy namoron-kevi-dratsy manohitra ny Tompo! Fa handray ny valisoa voafantina izy, noho ny tsy fivadihany; ary hahazo anjara soa indrindra izy ao an-tranon’ny Tompo.
15 Satria ny fanaovana asa soa, mahavokatsoa be voninahitra, ary ny fàkan’ny fahamalinana tsy mba maty.
16 Fa ny zanaky ny mpanera vadin’olonakosa, tsy hahafantatra ny fara androny, ary ny taranaky ny fiterahana meloka ho foana.
17 Raha lava ny andro iainany, dia hatao tsinontsinona izy ireo, ary ny fahanterana hiafarany, tsy hisy hajany.
18 Raha malaky maty izy, tsy hanam-panantenana na fiononana amin’ny fitsarana.
19 Fa ratsy miafara mandrakariva ny taranaka tsy marina.