Antsa ho an’Andriamanitra mangoraka
Aleloia!
1 Miderà an’i Iaveh, ry fanahiko.
2 Sitrako ny midera an’i Iaveh, amin’ny andro rehetra iainako;
sitrako ny mihira ho an’Andriamanitra raha mbola velona koa aho.
3 Aza mametraka ny fitokianareo amin’ny mpanapaka,
na amin’ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy;
4 fa miala ny fofon’ainy, dia miverina amin’ny vovony izy,
ary amin’izay andro izay ihany, dia levona ny hevitra kasainy
5 Sambatra izay manana ny Andriamanitr’i Jakôba
ho famonjena azy
sy mametraka ny fitokiany amin’i Iaveh Andriamaniny.
6 I Iaveh nanao ny lanitra sy ny tany,
ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy;
maharitra amin’ny tsy fivadihany Izy.
7 Manome rariny an’izay ampahorîna,
manome hanina an’izay noana;
i Iaveh manafaka an’izay voababo;
8 I Iaveh mampihiratra ny jamba;
i Iaveh mampitraka ny mitanondrika;
i Iaveh tia ny marina;
9 i Iaveh miaro ny mpivahiny;
manohana ny kamboty ama-mpitondratena Izy;
fa mampiolakolaka ny lalan’ny ratsy fanahy kosa.
10 Mpanjaka mandrakizay i Iaveh,
Andriamanitrao amin’ny taona mifandimby Izy, ry Siôna.
Aleloia!