Categories
Salamo

Salamo 145

SALAMO 145 (Volgata 144)

Fiderana an’i Iaveh Mpanjaka

Hira fiderana. Nataon’i Davida.

1 Sitrako ny mankalaza Anao, ry Andriamanitro Mpanjaka ô,

sy ny misaotra ny Anaranao mandrakizay doria.

2 Sitrako ny misaotra Anao isan’andro,

sy ny mankalaza ny Anaranao mandrakizay doria!

3 Lehibe i Iaveh ka mendrika ny fiderana rehetra,

ary tsy takatry ny saina ny fahalehibeazany!

4 Ny taona rehetra samy hilaza amin’izay mandimby azy

ny fiderana ny asanao;

hitory ny fahagagana nataonao ny olona.

5 Hihira ny famirapiratan’ny fiandriananao be voninahitra aho,

sy ny asanao mahagaga.

6 Horesahin’ny olona ny herinao mahatahotra;

ary hotantaraiko ny fahalehibeazanao.

7 Hambaran’ny olona ny fahatsiarovana ny hatsaram-ponao lehibe indrindra,

ary hankalazainy ny fahamarinanao.

8 Mamindra fo sy miantra i Iaveh,

ary mahari-po sy feno hatsaram-po.

9 Tsara fo amin’ny olona rehetra i Iaveh,

ary mihatra amin’ny zava-boaariny rehetra ny famindram-pony.

10 Midera Anao avokoa ny asanao rehetra, ry Iaveh,

ary misaotra Anao ny mpino Anao.

11 Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy,

ary mitory ny fahefanao;

12 mba hampahalalàny ny zanaky ny olona ny asany mahagaga,

sy ny famirapiratry ny fanjakany be voninahitra.

13 Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao,

ary maharitra amin’ny taona rehetra ny fanapahanao.

14 Manohana an’izay rehetra lavo i Iaveh,

ary mampitraka an’izay rehetra mitanondrika.

15 Mitodika miandry Anao ny mason’ny zavatra rehetra,

ary omenao izay haniny amin’ny fotoany izy.

16 Sokafanao ny tananao,

dia vokisanao soa avy aminao ny miaina rehetra.

17 Marina amin’ny lalany rehetra i Iaveh,

ary mamindra fo amin’ny asany rehetra.

18 Eo akaikin’izay rehetra miantso Azy I Iaveh,

dia izay rehetra miantso Azy amin’ny fony tokoa.

19 Manatanteraka ny fanirian’izaymatahotra Azy Izy,

mihaino ny fitarainany sy mamonjy azy.

20 Miambina izay rehetra tia Azy i Iaveh,

ary mandringana ny ratsy fanahy rehetra.

21 Aoka ny vavako hitory fiderana an’i Iaveh,

ary ny nofo rehetra hisaotra ny Anarany masina

mandrakizay doria!

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *