Categories
Salamo

Salamo 132

Fitsingerenan’ny taona namindrana ny Fiaran’ny fanekena

1 Fihirana fiakarana.

Ry Iaveh, tsarovy i Davida,

sy ny fahasahiranany rehetra!

2 Izao no fianianana nataony tamin’i Iaveh,

izao no voadiny tamin’ny Maherin’i Jakôba:

3 Tsy hiditra ao an-day fitoerako aho,

na hiakatra eo am-parafara fialako sasatra,

4 na hamela ny masoko hatory,

na ny hodi-masoko ho rendremana akory,

5 mandra-pahitako fitoerana ho an’i Iaveh,

sy fonenana ho an’ny Maherin’i Jakôba.

6 Indro rentsika fa hoe any Efratà izy;

hitantsika tany an-tsahan’i Jaaraizy.

7 Andeha ho ao amin’ny tabernaklan’i Iaveh,

miankohofa eo anatrehan’ny lampihazo fitoeran-tongony isika.

8 Mitsangàna, ry Iaveh, avia eto amin’ny fitoerana fitsaharanao,

ianao sy ny fiaran’ny fiandriananao!

9 Hitafy fahamarinana anie ny mpisoronao,

ary hihoby amim-piravoravoana anie ny mpino Anao.

10 Noho ny amin’i Davida mpanomponao,

aza manifika ny tavan’ny Voahosotrao.

11 I Iaveh nianianamarina tamin’i Davida,

ka tsy hitsoaka amin’izany:

Ny ateraky ny kibonao,

no hapetrako eo amin’ny seza fiandriananao.

12 Raha tandreman’ny zanakao ny fanekeko,

mbamin’ny didy hampianariko azy,

dia hipetraka mandrakizay,

eo amin’ny seza fiandriananao koa ny zanany.

13 Fa i Iaveh efa nifidy an’i Siôna,

sy naniry ho fonenany.

14 Ity no toerana fitsaharako mandrakizay;

eto no honenako fa efa niriko.

15 Horotsahako fanambinana sesehena ny fivelomany;

hovokisako hanina ny mahantrany.

16 Hotafîko famonjena ny mpisorony;

ary hihoby amim-piravoravoana ny mpino ao.

17 Hohalehibeaziko ao ny fahefan’i Davida;

hamboatra faniloho an’ny Voahosotro aho.

18 Hofonosiko henatra ny fahavalony,

ary hamirapiratra eo an-kandriny kosa ny satroboninahiny.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *