Arovan’Andriamanitra izay mifikitra aminy
1 Fihirana fiakarana.
Izay mitoky amin’i Iaveh,
dia tahaka ny tendrombohitra Siôna:
tsy mba mangozohozo izy, fa miorina mandrakizay.
2 I Jerosalema mirehitra tendrombohitra manodidina azy:
i Iaveh manodidina ny vahoakany toy izany koa,
hatramin’izao ka ho mandrakizay.
3 Tsy hitoetra eo amin’ny lovan’ny marina
ny tehim-panjakan’ny ratsy fanahy,
mba tsy hanaingan’ny olo-marina,
ny tanany hanao ratsy koa.
4 Iaveh ô, totofy soa ny tsara fanahy,
sy ny mahitsy fo.
5 Fa raha ireo mivily amin’ny lala-miolikolika kosa,
aoka izy hafoin’i Iaveh miaraka amin’izay manao ratsy.
Fiadanana anie ho amin’i Israely!