Fiarahabana an’i Jerosalema
1 Fihirana fiakarana. Nataon’i Davida.
Nahazo hafaliana aho raha nilazana hoe:
«Andeha isika ho any an-tranon’i Iaveh!»
2 Indro fa tapitra ny dianay
eto am-bavahadinao, ry Jerosalema.
3 Ry Jerosalema, ianao voaorina toy ny tanàna,
izay iraisan’ny zavatra rehetra.
4 Ao no iakaran’ny foko,
dia ny fokon’i Iaveh,
araka ny lalàn’i Israely,
mba hidera ny Anaran’i Iaveh.
5 Voapetraka ao ny seza fitsarana,
dia ny sezan’ny fianakavian’i Davida.
6 Manaova fanirian-tsoa ho an’i Jerosalema:
ho sambatra anie ilay tia anao!
7 Hanjaka ao anatin’ny mandanao anie ny fiadanana,
ary ao an-dapanao ny fanambinana.
8 Noho ireo rahalahiko aman-tsakaizako,
dia mangataka fiadanana ho anao aho,
9 Noho ny tranon’ny Andriamanitsika,
dia maniry fahasambarana ho anao aho.