Ilay hany tena Andriamanitra
1 Tsy izahay, ry Iaveh, tsy izahay,
fa ny Anaranao no omeo ny voninahitra
noho ny famindram-ponao, sy noho ny fahamarinanao.
2 Ahoana no ilazan’ny firenena hoe:
«Aiza àry ny Andriamanitr’izy ireo?»
3 Any an-danitra ny Andriamanitsika;
izay tiany hatao, vitany avokoa.
4 Ny sampin’izy ireo dia volafotsy sy volamena,
asan-tanan’olombelona.
5 Manam-bava fa tsy miteny izy,
mana-maso fa tsy mahita izy,
6 manan-tsofina fa tsy mahare,
manana orona fa tsy manimbolo,
7 manan-tanana fa tsy mandray,
manan-tongotra fa tsy mamindra.
Ny tendany tsy amoahany feo akory.
8 Hanahaka azy anie izay nanao azy
mbamin’izay rehetra mitoky aminy!
9 Ry Israely ô, apetraho amin’i Iaveh ny fitokianao!
Izy no vonjiny sy ampingan’izy ireo.
10 Ry taranak’i Aarôna, apetraho amin’i Iaveh ny fitokianao!
Izy no vonjiny sy fitokian’izy ireo.
11 Ianareo matahotra an’i Iaveh, apetraho amin’i Iaveh ny fitokianareo!
Izy no vonjiny sy ampingan’izy ireo.
12 Efa nahatsiaro antsika i Iaveh, ka hitahy!
Hitahy ny taranak’i Israely Izy
hitahy ny taranak’i Aarôna Izy,
13 hitahy izay matahotra an’i Iaveh Izy,
na ny kely, na ny lehibe.
14 Hampitomboin’i Iaveh anie ny fanambinany anareo,
dia ianareo sy ny zanakareo!
15 Hitahy anareo anie i Iaveh,
izay nanao ny lanitra sy ny tany!
16 Ny lanitra dia ny lanitr’i Iaveh,
fa ny tany kosa nomeny ny zanak’olombelona.
17 Tsy ny maty no midera an’i Iaveh
dia ireo midina ho any amin’ny toerana fanginana,
18 fa isika, dia isika no hisaotra an’i Iaveh
hatramin’izao ka ho mandrakizay.
Aleloia!