Vonjen’Andriamanitra amin’ny loza rehetra ny olombelona
1 Ankalazao i Iaveh, fa tsara fo Izy,
mandrakizayny famindram-pony.
2 Izany anie no holazain’ireo navotan’i Iaveh,
dia ireo navotany ho afaka tamin’ny tanan’ny fahavalony,
3 sy nangoniny avy any amin’ny tany rehetra,
avy any atsinanana sy andrefana,
avy any avaratra sy any amin’ny ranomasina.
4 Nirenireny tany an’efitra ireny tamin’ny lalana mangingina,
tsy nahita tanàna iray akory honenana.
5 Nianjadian’ny hanoanana aman-ketaheta,
efa tsaroany reraka ny ainy.
6 Fa nitaraina tamin’i Iaveh tao anatin’ny fahoriana izy,
ka novonjeny ho afaka tamin’ny fahaporetany.
7 Nitondra azy tamin’ny lala-mahitsy izy,
hampahatongavany azy amin’ny tanàna fonenana.
8 Hoderainy anie i Iaveh noho ny hatsaram-pony,
sy noho ny fahagagana nataony ho an’ny zanak’olombelona!
9 Fa ny fanahy mangetaheta, nataony afa-ketaheta,
ary ny fanahy noana novokisany soa.
10 Tao amin’ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana no nitoeran’izy ireo,
voababo ao anatin’ny fahoriana sy ny gadra vy.
11 Satria niodina tamin’ny teny ton’Andriamanitra izy
sy naniratsira ny fananaran’ny Avo Indrindra.
12 Dia naetriny tamin’ny fijaliana ny fony;
nitambotsotra izy ka tsy nisy namonjy!
13 Nitaraina tamin’i Iaveh tao anatin’ny fahoriany izy,
ka novonjeny ho afaka amin’ny fahaporetany.
14 Nesoriny tamin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana izy,
ary notapahiny ny fatorany.
15 Hoderainy anie i Iaveh, noho ny hatsaram-pony;
sy noho ny fahagagana nataony tamin’ny zanak’olombelona!
16 Fa nanorotoro ny varavarana varahina izy,
ary nanapatapaka ny hidy vy.
17 Adala lahy ireo! Noho ny fitondran-tenany mahameloka,
sy noho ny helony dia notaritiny hanjò azy ny fijaliana.
18 Nahamonamonaina azy avokoa izay hanina rehetra;
ary efa mby akaikin’ny vavahadin’ny fahafatesana izy.
19 Nitaraina tamin’i Iaveh tao anatin’ny fahoriana izy;
ka novonjeny ho afaka amin’ny fahaporetany.
20 Nandefa ny teniny Izy dia nanasitrana azy,
sy nanafaka azy hiala amin’ny fasany.
21 Hoderainy anie i Iaveh noho ny hatsaram-pony,
sy noho ny fahagagana nataony, ho an’ny zanak’olombelona!
22 Hanatitra sorona fisaorana anie izy,
ary hitory ny asany amin’ny hobin-kafaliana!
23 Nirotsaka an-tsambo izy ireo teny amin’ny ranomasina,
mba hanao fandrantoana eny amin’ny rano lehibe. –
24 Ireo no nahita ny asan’i Iaveh,
mbamin’ny fahagagana nataony tao amin’ny hantsam-be. –
25 Fa niteny Izy, ary nampifofofofo tafio-drivotra,
izay nampisondrotra ny onjan-dranomasina;
26 ka tafasavoana hatrany an-danitra izy ireo,
tafalentika ao amin’ny hantsana;
trotraky ny fahoriana ny fanahiny.
27 Fanina izy, ka nivembena hoatra ny mamo;
ary foana avokoa ny fahendreny rehetra.
28 Nitaraina tamin’i Iaveh tao anatin’ny fahoriana izy,
ka novonjeny ho afaka amin’ny fahaporetany.
29 Novany ho tsotso-drivotra malemy ny tafio-drivotra,
dia nangina ny onjan-dranomasina.
30 Nifaly izy ireo nahita ireo nitony,
ary nentin’i Iaveh, ho amin’ny fitodiana niriny izy.
31 Hoderainy anie i Iaveh noho ny hatsaram-pony,
sy noho ny fahagagana nataony ho an’ny zanak’olombelona!
32 Hankalazainy eo amin’ny fiangonan’ny vahoaka anie Izy,
ary hoderainy eo amin’ny fiangonan’ny loholona.
33 Ny ony, novany ho efitra,
ary ny loharano ho tany karankaina,
34 ny tany mahavokatra ho tanin-tsira
noho ny haratsian’ny mponina teo aminy.
35 Ny efitra kosa novany ho kamory,
ary ny tany karankaina ho tany be loharano,
36 Dia namponeniny eo ny noana,
ka nanorin-tanàna honenany.
37 Namafy ny saha ireny sy namboly voaloboka,
ary nahazo vokatra be.
38 Fa izy nanambina azy ireo, ka nitombo betsaka izy,
ary tsy navelany hihavitsy ny biby fiompiny.
39 Nahenany ho vitsy foana sy naetriny izy ireo,
notsindrian’ny loza amam-pahoriana.
40 Nosaforany henatra ny mpanapaka an’ireny,
nampirenireny any an’efitra tsy misy lalana;
41 fa ny mahantra kosa nasandrany ho afa-pahoriana,
ary ny fianakaviana nataony tonga sahala amin’ny andiam-biby fiompy.
42 Mahita izany ny olona mahitsy fo ka mifaly,
fa mikombom-bava foana kosa ny ratsy fanahy rehetra.
43 Aoka izay hendry hamantatra izany zavatra izany
ka hahalala ny hatsaram-pon’i Iaveh.