Andriamanitra dia fitiavana
1 Nataon’i Davida.
Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko,
ary misaora ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra!
2 Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko,
ary aza manadino ny soa rehetra avy aminy.
3 Fa Izy no mamela ny helokao rehetra,
manasitrana ny aretinao rehetra.
4 Izy no manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka,
manarona hatsaram-po amam-pamindram-po anao.
5 Izy no manototra soa ny fanirianao,
ary manavao ny fahatanoranaohanana ny herin’ny voromahery.
6 Manao ny fitsarana i Iaveh,
manome rariny an’izay rehetra nampahorîna.
7 Nampiseho ny lalany tamin’i Môizy Izy,
ary ny asany lehibe, tamin’ny zanak’i Israely.
8 Mamindra fo sy miantra i Iaveh,
mahari-po sy be hatsaram-po.
9 Tsy mba ho mandrakizay no mandevilevy Izy,
tsy mitana fahatezerana mandrakizay.
10 Tsy manao amintsika, araka ny fahotantsika,
ary tsy mamaly antsika, araka ny helotsika.
11 Fa tahaka ny haavon’ny lanitraambonin’ny tany,
no haben’ny hatsaram-pony amin’izay matahotra Azy.
12 Tahaka ny halaviran’ny atsinanana amin’ny andrefana,
no halaviran’ny anesorany amintsika ny hadisoantsika.
13 Sahala amin’ny fangoraky ny ray ny zanany,
no fangorak’i Iaveh an’izay matahotra Azy.
14 Satria fantany izay iforonantsika,
tsaroany fa vovoka ihany isika.
15 Ny olombelona! Tahaka ny ahitra ny androny,
tahaka ny voninkazo any an-tsaha ny famoniny,
16 ka vao tsofin’ny rivotra izy dia tsy eo intsony,
ary ny toerana nisy azy, tsy mahalala azy intsony.
17 Fa maharitra mandrakizay kosa ny hatsaram-pon’i Iaveh
ho an’izay matahotra Azy,
sy ny fahamarinany amin’ny taranaky ny zanak’izy ireo,
18 dia amin’izay mitandrina ny fanekeny,
sady mahatsiaro ny didiny mba hitandremany azy.
19 Nampiorina ny seza fiandrianany any an-danitra i Iaveh,
ary mihatra amin’ny zavatra rehetra ny fanjakany.
20 Misaora an’i Iaveh ianareo Anjeliny,
izay mahefa sy mahery sy mankatò ny didiny,
amin’ny fanekena ny feon’ny teniny.
21 Misaora an’i Iaveh ianareo rehetra tafiny,
izay mpanompony sy manatanteraka ny sitrapony!
22 Misaora an’i Iaveh ianareo asany rehetra,
amin’ny fitoerana rehetra fanjakany.
Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko.