Categories
Salamo

Salamo 101

Ny andriana tonga lafatra

1 Salamon’i Davida.

Ny hatsaram-po amam-pahamarinana no tiako hohiraina;

Ianao Iaveh no tiako hankalazaina.

2 Hitandrina ny lalan’ny tsy fananan-tsiny aho.

– Rahoviana no ho tonga aty amiko Ianao? –

Handeha amin’ny fahitsian’ny foko aho,

eo afovoan’ny tranoko.

3 Eo anoloan’ny masoko aho,

tsy hanisy asa ratsy na inona na inona;

halako ny fitondran-tena ratsy;

tsy hipetraka amiko izany.

4 Tsy mba ho fo mivaona ny ahy na oviana na oviana;

tsy te-hahalala izay ratsy akory aho.

5 Hofongorako,

ny mpifosa mandrovitra ny namany mangingina.

Ny olona misolanandrana sy bontsinin’ny hambom-po,

tsy ho tohako.

6 Hijery izay olona mahatoky amin’ny tany, ny masoko,

mba hitoerany ato akaikiko;

izay mandeha amin’ny lalana marina, no ho mpanompoko.

7 Tsy mba hanan-toerana ao an-tranoko,

izay manao am-pitaka;

tsy hijanona eo anoloan’ny masoko,

izay milaza lainga,

8 haripako isa-maraina

ny ratsy fanahy rehetra amin’ny tany,

mba hamongorako eo an-tanan’i Iaveh

izay rehetra manao ratsy.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *