Hitan’ny olo-marina
1 Salamo. Fihirana fanao amin’ny andro sabata.
2 Tsara ny midera an’i Iaveh,
sy ny mankalaza ny Anaranao, ry Avo Indrindra ô,
3 ny mitory ny hatsaram-ponao, nony maraina,
ary ny tsy fivadihanao, nony alina,
4 amin’ny valiha tory folo, sy amin’ny lokanga,
ary amin’ny fireondreon’ny harpa.
5 Mampifaly ahy amin’ny asanao Ianao, ry Iaveh,
ary mientana aho manoloana ny asan-tananao.
6 Akory ity halehiben’ny asanao, ry Iaveh,
akory izany halalin’izay fisainanao!
7 Ny olona ketrina, tsy mahalala na inona na inona amin’izany;
ary ny adala tsy mahita mangirana amin’izany.
8 Raha mirobona toy ny ahitra ny ratsy fanahy,
ka mandroso avokoa izay manao ratsy,
dia ny mba horinganina mandrakizay.
9 Fa Ianao kosa, tafasandratra mandrakizay, ry Iaveh.
10 Fa indreo ny fahavalonao, ry Iaveh,
indreo levona ny fahavalonao,
mihahaka avokoa izay manao ratsy.
11 Ary ny tandrokoasandratrao, toy ny an’ny ombimanga;
tondrahana diloilo vaovao aho.
12 Ny masoko faly mitazana ny fahavaloko;
ary ny sofiko mandre ny ratsy fanahy mitsangan-kamely ahy.
13 Ny marina hitombo tahaka ny rofia;
hisondrotra tahaka ny sedera any Libàna izy.
14 Nambolena ao an-tranon’i Iaveh izy,
dia hamony eo amin’ny kianjan’ny Andriamanitsika.
15 Mbola hamoa izy amin’ny fahanterany;
sady ho be ranony sy maitso mavana,
16 mba hanambara fa marina i Iaveh;
Izy no vatolampiko; ary tsy misy ao aminy ny tsy an-drariny.