Malia ny olombelona
1 Vavak’i Môizy, olon’Andriamanitra.
Tompo ô, Ianao no aronay amin’ny taona rehetra mifandimby.
2 Talohan’ny namoronanao ny tendrombohitra,
sy niterahanao ny tany sy izao rehetra izao:
dia efa nisy mandrakizay ka ho mandrakizay Ianao, ry Andriamanitra!
3 Mampanjary ny olombelona ho vovoka Ianao,
ka manao hoe: «Miverena, ry zanak’olombelona!»
4 Fa eo imasonao, ny arivo taona,
dia tahaka ny andro omaly, raha mandalo izy,
ary tahaka ny fiambenana iray amin’ny alina.
5 Manindrona azy toy ny nofy Ianao;
ny maraina, mitsimoka indray izy, toy ny ahitra;
6 mamòny sy maniry izy ny maraina;
fa malazo sy maina ny hariva.
7 Toy izany no andevonan’ny fahatezeranao anay,
sy ampitahoran’ny fahaviniranao anay,
8 apetrakao eo anoloanao ny helokay;
ary eo amin’ny fahazavan’ny Tavanao, ny fahadisoanay takona.
9 Azon’ny hatezeranao, dia foana avokoa ny andronay rehetra,
hitanay mihelina toy ny feo malemy, ny taonanay.
10 Mahatratra ny fitopolo taona no andronay,
valopolo taona no fara fahabetsahany;
nefa hasasarana sy fahoriana foana ny voninahiny,
fa mihelina faingana izy, dia lasa manidina izahay!
11 Zovy no mahafantatra ny herin’ny fahatezeranao,
ary ny fahaviniranao, araka ny fahatahorana mendrika hatao Anao?
12 Ampianaro hanisa tsara ny andronay izahay,
mba hahazoanay fo hendry.
13 Miverena, ry Iaveh, mandra-pahoviana no?…
Mamindrà fo amin’ny mpanomponao!
14 Vokiso ny hatsaram-ponao izahay, ny maraina,
dia hifaly sy hiravoravo, amin’ny andronay rehetra.
15 Ampifalio araka ny andro nampahorianao anay izahay,
sy araka ny taona nahitanay loza.
16 Aoka hiharihary amin’ny mpanomponao ny asanao,
mbamin’ny voninahitrao, ho an’ny taranany!
17 Ho aminay anie ny fanambinan’i Iaveh, Andriamanitray!
Hamafiso aminay ny asan’ny tananay;
eny, hamafiso ny asan’ny tananay!