Vavaka anatin’ny fijaliana lalina
1 Fihirana. Salamon’ny zanak’i Kôre. Ho an’ny mpampianatra hira. Hiraina amin’ny feo mitaraina. Fihiranan’i Hemàna, Ezrahita.
2 Ry Iaveh, Andriamanitry ny famonjena ahy ô,
raha mitaraina eo anatrehanao amin’ny alina aho,
3 aoka ho tonga eo anatrehanao ny fivavahako,
henoy ny fitarainako!
4 Fa vontom-pahoriana ny fanahiko,
ary mipaka amin’ny Seoly ny aiko.
5 Natao anisan’izay midina any an-davaka aho,
tahaka ny olona efa lany hery.
6 Tahaka ny nafoy eny amin’ny maty aho,
tahaka ny faty miampatra ao am-pasana,
izay efa tsy tsaroana intsony,
sy efa voaesotra eo an-tananao!
7 Natsipinaoho ao amin’ny vodilavaka aho,
anatin’ny haizina sy ny hantsana.
8 Manindry ahy ny hatezeranao,
azeranao amiko ny alon-dranonao rehetra.
– Selà
9 Nampanalavirinao ahy ny sakaizako;
nataonao zavatra fankahalan’izy ireo aho.
Voahiboka tsy afa-mivoaka aho.
10 Mihavelona azon’ny fijaliana ny masoko.
Miantso Anao tontolo andro aho, ry Iaveh ô,
manandra-tanana aminao aho.
11 Ny maty vano hanaovanao fahagagana;
sa ny ambiroano hitsangan-kidera Anao?
– Selà
12 Hotorina any am-pasana va ny hatsaram-ponao,
ary any amin’ny hantsana, ny fahamarinanao?
13 Ho fantatra any amin’ny tanin’ny haizina va ny fahagaganao,
ary any amin’ny tany fanadinovana, ny fahamarinanao?
14 Indro aho mitaraina aminao, ry Iaveh ô.
Vao maraina dia efa miroso ho eo anatrehanao ny fivavahako.
15 Ry Iaveh ô, nahoana no manary ny fanahiko Ianao,
sy manafina ny Tavanao amiko?
16 Ory sy efa ho faty hatramin’ny fahatanorako aho,
tsy fantatro izay hataoko, itambesaran’ny fampitahoranao.
17 Ny hatezeranao manafotra ahy,
ny fampitahoranao mandreraka ahy.
18 Tahaka ny rano tondraka,
dia manodidina ahy tontolo andro izany,
miara-mitangorona amiko avokoa izany.
19 Nampanalavirinao ahy ny havana aman-tsakaizako;
ny haizina ao am-pasana no namako.