Categories
Salamo

Salamo 84

Hira fivahiniana masina

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny Gitiena. Salamon’ny zanak’i Kôre.

2 Mahatehotia loatra ny fonenanao,

Ry Iavehn’ny tafika!

3 Trotraka ny fanahiko misento, manina ny kianjan’i Iaveh;

mientana ho amin’Andriamanitra velona, ny foko sy ny nofoko.

4 Ny fody aza, mahita fonenana,

ny sindintsidina koa mahita akany hametrahany ny zanany;

ny ôtelinao, ry Iavehn’ny tafika,

ry mpanjakako sy Andriamanitro!

5 Sambatra izay monina ao an-tranonao!

Mbola mahazo midera Anao izy ireo!

– Selà

6 Sambatra izay olona manana ny heriny ao aminao;

tsy mihevitra afa-tsy ny fiakarana masinaizy.

7 Raha mamaky ny lohasahan-dranomaso izy,

ovany ho fitoerana feno loharano izany,

ary ny ranonoram-pararano mandrotsaka fanambinana aminy.

8 Mitombo hery eny am-pandehanana izy,

ary miseho eo anatrehan’Andriamanitra any Siôna:

9 Iaveh, Andriamanitry ny tafika ô, hoy izy, henoy ny fivavahako,

mandrenesa, ry Andriamanitr’i Jakôba!

– Selà

10 Ianao izay ampinganay, ry Andriamanitra, mba jereo,

ka tsinjovy ny tavan’ilay Voahosotrao!

11 Fa aleo andro iray ao an-kianjanao, toy izay arivo;

aleoko mitoetra eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’ny Andriamanitro,

toy izay monina ao an-dain’ny ratsy fanahy.

12 Fa masoandro aman’ampinga, i Iaveh Andriamanitra;

manome fahasoavana amam-boninahitra i Iaveh,

tsy misy zava-tsoa tsy omeny an’izay mandeha amin’ny tsy fananan-tsiny.

13 Ry Iavehn’ny tafika,

sambatra izay olona mitoky aminao!

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *