Eo amin’ny fankalazana ny trano lay, tabernakla
1 Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny Gitianina. Nataon’i Asafa.
2 Manaova hira fifaliana ho fankalazana an’Andriamanitra herintsika.
Manaova hobim-pifaliana ho fankalazana ny Andriamanitr’i Jakôba!
3 Miventesa hira arahim-peon’ny ampogatapaka,
sy harpa mireondreona mbamin’ny valiha.
4 Tsofy ny anjomara amin’ny tsinam-bolana,
amin’ny andro fenomanana, amin’ny andro fetintsika.
5 Fa didy ho an’i Israely izany;
fitsipika avy amin’ny Andriamanitr’i Jakôba.
6 Nataony lalàna ho an’i Josefa
fony izy nandeha namely ny tany Ejipta.
Mandre feo tsy fantatroaho:
7 Nanala entana ny sorony aho,
dia nitsahatra tsy nitondra sobika, ny tanany.
8 Niantso tao anatin’ny fahoriana ianao dia novonjeko,
namaly anao tao anatin’ny rahona mitondra ranonoram-baratra Aho,
nizaha toetra anao, tao amin’ny ranon’i MeribàAho.
– Selà
9 Mihainoa, ry vahoakako, fa misy fananarana hataoko anao;
enga anie ka hihaino ahy ianao, ry Israely.
10 Aza misy andriamani-kafa eo aminao,
aza mivavaka amin’ny andriamanitry ny vahoaka hafa.
11 Izaho, Iaveh, Andriamanitrao,
no nitondra anao niakatra avy any an-tany Ejipta,
sokafy ny vavanao dia hofenoiko.
12 Kanjo tsy nihaino ny feoko ny vahoakako,
tsy nakatò Ahy i Israely.
13 Ka navelako izy hanaraka ny ditran’ny fony
dia nanaraka izay saim-pantany izy.
14 Eh! raha mba mihaino ny foeko ny vahoakako,
raha mba mandeha amin’ny lalako i Israely!…
15 Dia hokorokoroiko vetivety foana ny fahavalony,
hafotitro hamely ny mpampahory azy ny tanako.
16 Hidera azy ry zareo mankahala an’i Iaveh,
ary ho azo antoka mandrakizay, ny faharetan’i Israely.
17 Vary tsara indrindra no hamelomako azy,
ary tantely avy amin’ny vatolampy no hamokisako azy.