Fandinihana ny andro lasan’i Israely
1 Ho an’ny mpampianatra hira… Iditona. Salamon’i Asafa.
2 Miakatra ho any amin’Andriamanitra ny feoko,
ka mitaraina aho;
miakatra ho any amin’Andriamanitra ny feoko:
aoka hihaino ahy anie Izy.
3 Mitady ny Tompo, amin’ny andron’ny fahoriako aho;
manandra-tanana tsy mety vizana aho, nony alina;
lavin’ny fanahikoavokoa ny fampiononana.
4 Mahatsiaro an’Andriamanitra aho, dia misento;
mieritreritra aho dia reraka ny fanahiko.
– Selà
5 Hazoninao misokatra ny hodi-masoko;
ary tsy mahateny aho, azon’ny tebitebiko;
6 ka eritreretiko izany andro taloha,
mbamin’ny taona fahizany.
7 Tsaroako ny hirako tamin’ny alina;
dia mandinidinika ao am-poko aho,
ary hoy ny fanontanian’ny saiko:
8 Dia hanary mandrakizay ve ny Tompo,
dia tsy hankasitraka intsony ve Izy?
9 Tapitra mandrakizay va ny famindram-pony?
Tapaka teo va ny fampanantenany momba ny taona ho avy?
10 Hadinon’Andriamanitra va ny famindram-pony?
Notsoahany noho ny fahatezerany va ny indrafony?
– Selà
11 Hoy aho: «Izao no dia mankararirary ahy:
niova ny tanana ankavanan’Andriamanitra!»
12 Te-hampahatsiaro ny asan’i Iaveh aho
fa mahatsiahy ny asanao mahagaga fahiny.
13 Tiako ny mieritreritra ny asanao rehetra,
sy mandinika ny zava-dehibe nataonao.
14 Andriamanitra ô, masina ny lalanao,
zovy moa no Andriamanitra lehibe tahaka ny Andriamanitsika.
15 Ianao no Andriamanitra mahavita fahagagana,
naneho ny herinao tamin’ny firenena Ianao.
16 Navotanao tamin’ny sandrinao ny vahoakanao,
dia ny taranak’i Jakôba sy i Josefa.
– Selà
17 Nahita Anao ny rano, ry Andriamanitra ô,
nahita Anao ny rano dia nangovitra;
nihoviotrovotra ny hantsana.
18 Nandatsaka ny ranony ny rahona,
nikotrokotroka ny feon’ny rahona,
dia nifanaretsaka hatraiza hatraiza
ny zana-tsipìkanao.
19 Nanakoako tao amin’ny tadio ny varatrao,
nanazava izao tontolo izao ny tsela-baratra;
nihoron-koditra sy nihorohoro ny tany.
20 Lalana nalehanao ny ranomasina,
sakeli-dalana nombanao ny ranobe,
ka tsy nisy nahafantarana ny dianao.
21 Nitondra ny vahoakanao, toy ny biby fiompy, Ianao
tamin’ny tanan’i Môizy sy i Aarôna.