Categories
Salamo

Salamo 76

Fiderana an’Andriamanitra mahatahotra

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Ampiarahina amin’ny zava-manenotendrena. Salamon’i Asafa. Fihirana.

2 Nilaza tena teo amin’i Jodà Andriamanitra,

malaza eo amin’i Israely ny Anarany.

3 Ao Salema ny tabernaklany,

ary ao Siôna ny fonenany.

4 Teo Izy no nanapatapakany tsipìka manelatra,

ny ampinga, ny sabatra, ary ny ady.

– Selà

5 Mamirapiratra Ianao, eo amin’ny fiandriananao,

eo an-tendrombohitra iantorahanao amin’ny rembinao.

6 Voababo ireo malaza be herim-po;

renoky ny torimasony izy ireo,

tsy nahay nampiasa ny tanany ireo olo-mahery.

7 Vao nanambana Ianao, ry Andriamanitr’i Jakôba,

dia nitsatoka tsy nahahetsika ny kalesy aman-tsoavaly.

8 Eny, mahatahotra Ianao!

Iza no mahajanona eo anatrehanao, raha mipoaka ny hatezeranao!

9 Namoaka didim-pitsarana avy any an-tampon’ny lanitra Ianao;

nihorohoro sy nangina ny tany,

10 nony nitsangana hitsara Andriamanitra;

sy hamonjy ny olo-mahantra rehetra amin’ny tany.

– Selà

11 Ka dia hody voninahitra ny fisafoaky ny olombelona,

sy ny sisam-pahatezerany.

12 Manaova voady ianareo,

ka efao amin’i Iaveh Andriamanitra izany,

aoka hitondra fanatitra ho an’Andriamanitra mahatahotra,

izay rehetra manodidina azy.

13 Manongana ny reharehan’ny manam-pahefana Izy,

ary mahatahotra ny mpanjakan’ny tany.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *