Ilay mpanjaka nampanantenaina
1 Nataon’i Salômôna.
Ry Andriamanitra ô; tolory ny fitsarànao, ny mpanjaka,
ary ny fahamarinanao, ny zanaky ny mpanjaka.
2 Aoka hitondra ny vahoakanao, araka ny rariny,
sy ny mahantranao, araka ny hitsiny!
3 Aoka hahavokatra fiadanana ho an’ny vahoaka ny tendrombohitra,
torak’izany ny havoana, amin’ny fahamarinana.
4 Hanomezany rariny ny olona ory eo amin’ny vahoakany,
sy hamonjeny ny zanaky ny mahantra,
ary hanorotoroany ny mpampahory!
5 Aoka hanaja Anao ny olona, raha mbola maharitra koa ny masoandro,
raha mbola mihiratra koa ny volana, hatramin’ny taona mifandimby.
6 Aoka izy hidina, toy ny ranonorana amin’ny ahi-maitso,
toy ny tandrifin-drahona manondraka ny tany.
7 Ka amin’ny androny dia aoka ho finaritra ny olo-marina,
amim-piadanana feno, mandra-pitsahatry ny fisian’ny volana.
8 Hanjaka hatramin’ny ranomasina iray ka hatramin’ny ranomasina hafa Izy,
ary hatramin’ny Ony ka hatramin’ny faran’ny tany.
9 Hiankohoka eo anatrehany ny mponina any an’efitra;
ary ho lavo amin’ny tany ny fahavalony.
10 Handoa hetra ny mpanjakan’i Tarsisa sy ny nosy;
hanolotra fanatitra ny mpanjakan’i Sabàsy Merôe;
11 hiankohoka eo anatrehany ny mpanjaka rehetra,
hanaiky Azy ny firenena rehetra.
12 Fa hanafaka ny mahantra mitaraina aminy Izy;
sy ny ory tsy manan-kamonjy akory.
13 Hiantra ny fadiranovana sy ny tsy manana Izy,
ary hamonjy ny ain’ny mahantra.
14 Hoesoriny amin’ny fampahoriana amam-panaovana an-keriny ireny,
ary ho sarobidy eo imasony ny ran’izy ireny.
15 Dia ho velona ireny, ka hanatitra volamena
avy any Sabà ho Azy;
hanao voady ho Azy mandrakariva, ary hisaotra Azy isan’andro.
16 Ny vary, aoka ho vokatra betsaka amin’ny tany
hatrany an-tampon’ny tendrombohitra!
Ny salohim-bary, aoka hisahondrahondra hoatry ny alan’i Libàna!
Ny olona, aoka hirobona ao amin’ny tanàna toy ny ahitra any an-tsaha.
17 Aoka haharitra mandrakizay ny Anarany!
Aoka hiely laza ny Anarany, raha mbola mihiratra koa ny masoandro!
Aoka ho aminy no itadiavan’ny olona fanambinana!
Aoka ny firenena rehetra hiantso Azy hoe: Sambatra!
18 Hisaorana anie i IavehAndriamanitra, Andriamanitr’i Israely,
izay hany manao fahagagana!
19 Hisaorana mandrakizay anie ny Anarany be voninahitra!
Ho feno ny voninahiny anie ny tany rehetra.
Amen! Amen!
20 Tapitra ny vavak’i Davidazanak’i Izaì.