1 Farany, ry kristianina havana, mivavaha ho anay, mba handroso faingana ny tenin’Andriamanitra, ka hankalazaina toy ny atỳ aminareo;
2 ary mba ho afaka amin’ny olon-dratsy sy mahasosotra izahay; fa tsy an’ny olona rehetra moa ny finoana.
3 Dia Andriamanitra izay tsy mivadika kosa, no hankahery anareo sy hiaro anareo amin’ny ratsy.
4 Matoky anareo ao amin’ny Tompo izahay, fa sady manao no mbola hanao ny zavatra nandidianay ianareo.
5 Ary enga anie ny Tompo ka hitari-dalana ny fonareo ho amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny faharetan’i Kristy.
Fampitandremana tsy ho kamo ary tsy hanakorontana
6 Mandidy anareo amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika izahay, mba hisaraka amin’ny namana rehetra tsy manaraka ny fampianarana noraisiny taminay, fa manao fitondran-tena tsy marina.
7 Efa fantatrareo izay tokony hataonareo mba hakàn-tahaka anay, fa tsy mba nanao izay tsy marina teo aminareo izahay.
8 Tsy mba nihina-mofon’olona maimaim-poana izahay, fa niasa andro aman’alina, ka sasatra sy trotraka erỳ, mba tsy hahavaky tratra na dia ny iray akory taminareo aza;
9 tsy noho izahay tsy manam-pahefana anefa, fa noho izahay te hanolo-tena ho fakan-tahaka ho anareo.
10 Fony mbola tany aminareo ihany izahay dia efa nandidy anareo hoe: Raha misy tsy mety miasa, dia aoka izy tsy hihinana.
11 Renay anefa fa ny sasany aminareo dia tsy mahay miaina, sady tsy miasa fa manaonao foana.
12 Mandidy sy mananatra izany olona izany ao amin’i Jesoa Kristy Tompo izahay, mba hiasa amim-piadanana, ka hihinana ny azy ihany.
13 Ary aoka ianareo, ry kristianina havana, tsy ho ketraka amin’ny fanaovan-tsoa.
14 Raha misy tsy manaiky ny teninay amin’ity taratasy ity, dia mariho izy, ka aza mikambakambana aminy intsony mba hahamenatra azy.
15 aza atao fahavalo anefa izy, fa anaro toy ny mpiray tam-po.
Vavaka sy fanaovam-beloma
16 Ny Tompon’ny fiadanana anie hanome fiadanana anareo mandrakariva amin’ny zavatra rehetra. Ho ao aminareo rehetra anie ny Tompo.
17 Ity no veloma soratan’ny tanako, izaho Paoly. Toy izao no soratro, ka ataovy famantarana ny taratasiko rehetra.
18 Ho ao aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika.