Ilay hitsara ny mpitsara eto an-tany
1 Ho an’ny mpampianatra hira. Aza mandrava. Hiran’i Davida.
2 Ny tsy fitenenana va no amoahanareo fitsarana?
Araka ny rariny va no itsaranareo, ry zanak’olombelona?
3 Tsia, mamorona hevi-dratsy ao am-ponareo ianareo,
amidinareo an-danjanyeo amin’ny tany ny fanaovan’ny tananareo an-keriny.
4 Simba hatrany am-bohoka ny ratsy fanahy,
mania hatramin’ny fony vao teraka ny fandainga.
5 Manahaka ny poizin’ny menarana ny poizina aminy,
dia ny an’ny menarana marenina, izay manentsin-tadìny,
6 ka tsy mihaino izay feon’ny mpahavariana azy,
ny feon’ny mpanasondriana izay kinga amin’ny fahaiza-manasondriana.
7 Andriamanitra ô, torotoroy ny nifiny ao am-bavany;
ry Iaveh ô, omboty ny valanoranon’ireo liona tanora!
8 Aoka ho tonga foana toy ny riaka mandalo!
Raha mametraka zana-tsipìka, dia aoka ho dombo, izy ireo!
9 Aoka hanahaka ny lelosy izay miempo eo am-pandehanana!
Aoka tsy hahita masoandro toa zaza vaky manta ireo!
10 Raha mbola tsy maimbo tsilo akory ny vilaninareo,
dia hindaosin’ny oram-baratra ireny, na ny lena na ny maina.
11 Hifaly amin’ny fahitana ny famaliana, ny marina;
handro tongotra amin’ny ran’ny ratsy fanahyizy.
12 Ka dia hiteny hoe ny olona: «Eny misy valiny tokoa ho an’ny marina,
misy tokoa Andriamanitra izay mitsara etỳ ambonin’ny tany.»