Categories
Salamo

Salamo 56

Tsy hidaboka ny mitoky amin’Andriamanitra

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ilay Voromahailala gina any an-tany lavitra. Hiran’i Davida. Fony izy nosamborin’ny Filistinina tany Geta.

2 Mamindrà fo amiko, ry Andriamanitra,

fa milofo mamely ahy ny olona,

miady amiko tontolo andro izy, sady manenjika ahy;

3 mamely ahy tontolo andro ny mpanohitra ahy,

maro izy ireo miandranandrana miady amiko.

4 Rehefa azon-tahotra aza aho, dia mitoky aminao.

5 Amin’ny fanampian’Andriamanitra

no iderako ny fahatanterahan’ny teniny.

Andriamanitra no itokiako, ka tsy matahotra na inona na inona aho:

Inona no ho efan’ny olona foana amiko?

6 Asiany sain-katezerana mandrakariva ny teniko;

ao amiko no ambentin-keviny rehetra hamerezany ahy.

7 Mioko izy, mametraka mpitsikilo izy, mitsikilo ny diako izy,

satria mikendry ny aiko.

8 He izany heloka mitambesatra aminy,

ka aiza no hahafahany indray?

Aringano amin’ny fahatezeranao ireo vahoaka ireo, ry Andriamanitra.

9 Efa voaisanao izay ny dia nirenireneko tamin’ny andro niainako,

efa voaangonao an-tsininao hoditra ny ranomasoko;

moa tsy efa voasoratra ao amin’ny bokinao ireny?

10 Ka dia hiamboho ny fahavaloko,

amin’ny andro iantsoako Anao;

fantatro izao, fa momba ahy Andriamanitra.

11 Amin’ny fanampian’Andriamanitra

no iderako ny fahatanterahan’ny teniny.

Amin’ny fanampian’i Iaveh

no iderako ny fahatanterahan’ny fampanantenany.

12 Andriamanitra no itokiako,

ka tsy matahotra na inona na inona aho.

Inona no ho efan’izay olona foana amiko?

13 Ny voady nataoko taminao, ry Andriamanitra, tsy maintsy hoefaiko;

hanatitra sorona fisaorana aminao aho.

14 Fa nanafaka ny fanahiko tamin’ny fahafatesana Ianao,

– moa va tsy niaro ny tongotro tsy ho solafaka? –

mba handehanako eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny fahazavan’ny velona.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *