Categories
Salamo

Salamo 53

Ny olona tsy misy an’Andriamanitra

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny feo mitaraina. Hiran’i Davida.

2 Ny adala manao anakampo hoe: «Tsy misy Andriamanitra!»

Efa simba izy ireo, nanao heloka vetaveta;

tsy misy manao ny tsara na dia iray aza.

3 Mijery ny zanak’olombelona eny an-tampon’ny lanitra, Andriamanitra.

Mba hahita raha misy olona manan-tsaina eny;

na misy olona mitady an’Andriamanitra.

4 Efa nania, efa tonga ratsy avokoa izy,

tsy misy iray akory manao ny tsara,

na dia iray monja ihany aza.

5 Moa tsy manana fahalalana va ry zareo mpanao ratsy?

fa ny vahoakako haniny toy ny fihinan-kanina;

izy ireo tsy miantso an’Andriamanitra akory.

6 Ho tera-kovitry ny tahotra tampoka izy ireo,

tsy misy anefa izay tokony hatahorany,

fa naelin’Andriamanitra ny taolan’izay nitoby hamely anao;

nampahamenatra azy ianao satria efa narian’Andriamanitra izy.

7 Enga anie ka hivoaka avy ao Siôna ny famonjena an’i Israely!

Amin’ny fampodian’Andriamanitra ireo lasan-ko babo amin’ny vahoakany,

dia hifaly i Jakôba, ary hiravoravo i Israely.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *