Categories
Salamo

Salamo 39

Tsinontsinona ny olombelona eo anatrehan’Andriamanitra

1 Ho an’ny mpampianatra hira, ho an’i Iditona. Hiran’i Davida.

2 Hoy aho: «Hitandrina ny lalako aho,

sao manota amin’ny lelako.

Asiako hidiny ny vavako,

dieny mbola eo anatrehako koa ny ratsy fanahy.»

3 Dia lasan-ko moana aho tanatin’ny fanginana,

nangina ahona dia voaesotra amiko aza ny fananana rehetra.

Kanjo nihetsika ny fanaintainako,

4 nirehitra tato anatiko ny foko;

tamin’ny fieritreretako dia nisy afo nirehitra,

ka tonga teo amin’ny lelako ny teny.

5 Ry Iaveh ô, ampahafantaro ahy ny fara andro hiainako,

dia ny fetry ny androko,

hahafantarako ny maha-mora levona ahy.

6 Nataonao vody voampelatanana monja ny androko;

ary toy ny tsinontsinona eo anatrehanao ny fiainako.

Eny, tso-drivotra foana avokoa, ny olombelona velona.

– Selà

7 Eny, mandalo toy ny aloka ny olona;

eny, tsy misy asany ny fikofokofohany;

manangona izy, nefa tsy mahalala izay handray izany.

8 Ankehitriny, Tompo ô, inona no azoko antenaina?

Ao aminao ny fanantenako!

9 Afaho amin’ny fahadisoako rehetra aho;

aza atao ho fandàtsan’ny adala aho.

10 Mangina tsy miloa-bava aho;

fa Ianao no manao izao.

11 Avilio tsy hihatra amiko ny fikapohanao:

fa reraka aho, azon’ny hamafin’ny famelezan’ny tananao.

12 Raha faizinao ny olona, ka manasazy azy amin’ny fahadisoany Ianao,

dia mandrava izay maminy indrindra, toy ny kalalao Ianao.

Eny, tso-drivotra foana ny olombelona.

– Selà

13 Henoy ny fivavahako, ry Iaveh ô,

atongilano ny sofinao amin’ny fitarainako,

aza dia tsy mihontsina amin’ny fitomaniako!

Fa vahiny ao aminao aho,

mpivahiny toy ny razako rehetra.

14 Avilio tsy hijery ahy ny masonao, ka avelao mba hisy hiainako,

alohan’ny hahalasanako, ka tsy ho velona intsony aho!

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *