Categories
Salamo

Salamo 37

Ny anjaran’ny olo-marina sy ny meloka

1 Nataon’i Davida.

Aza tezitra noho ny amin’ny mpanao ratsy,

na mitsiriritra ny toetr’izay mpanao heloka.

2 Fa hojinjaina faingana tahaka ny ahitra ireny,

ka halazo tahaka ny ahi-maitso.

3 Matokia an’i Iaveh, ary manaova soa;

monena amin’ny tanyary manaràna fo amin’ny fahatokiany.

4 I Iaveh no ataovy firavoravoanao,

dia omeny anao izay irin’ny fonao.

5 Ankino amin’i Iaveh ny anjaranao,

dia matokia Azy, fa dia hanao Izy;

6 hataony mamirapiratra toy ny mazava ny fahamarinanao;

ary tahaka ny andro mitatao vovonana ny fanananao ny rariny.

7 Mitoera amim-panginana, eo anatrehan’i Iaveh ary manantenà Azy;

aza tezitra noho ny amin’izay ambinina amin’ny lalany,

dia ny olona mahomby amin’ny tetikadiny.

8 Atsaharo ny hatezerana, halaviro ny havinirana;

aza misafoaka foana ka hipaka amin’ny ratsy.

9 Fa ny ratsy fanahy hofongorana;

ary izay matoky an’i Iaveh no hanana ny tany.

10 Raha afaka kelikely foana dia tsy ho eo intsony ny ratsy fanahy;

mijery ny fitoerany ianao, fa efa nanjavona izy.

11 Ny malemy fanahy no hanana ny tany;

ka ho finaritra mankafỳ fiadanana lehibe.

12 Ny ratsy fanahy namoron-tsain-dratsy, hamelezana ny marina,

sady manidy vazana aminy.

13 Fa ny Tompo kosa mihomehy ny ratsy fanahy,

satria hitany fa tonga ny androny.

14 Ny ratsy fanahy manatsoaka ny sabany, manenjana ny tsipìkany

handavo ny ory sy ny malahelo,

hamono izay mahitsy lalana.

15 Ny sabany hiditra amin’ny fony ihany;

ary ny tsipìkany ho tapatapaka!

16 Aleo ny kely ananan’ny olo-marina,

toy izay ny be ananan’ny olon-dratsy maro;

17 fa ny sandrin’ny mpanao ratsy, ho tapatapaka;

ary ny olo-marina kosa hotohanan’i Iaveh.

18 Fantatr’i Iaveh ny andron’ny marina;

ary ny lovany haharitra mandrakizay.

19 Tsy mba menatra izy amin’ny andron’ny fahoriany;

ary ho voky amin’ny taona mosarena.

20 Fa ny ratsy fanahy kosa ho levona;

ny fahavalon’i Iaveh hanahaka ny voninahitry ny tanim-bilona;

ho lasan-ko setroka ireny, dia ho levona.

21 Ny ratsy fanahy misambotra, nefa tsy mamerina,

fa ny marina kosa be antra ka manome.

22 Izay tahin’i Iaveh hanana ny tany;

izay ozoniny dia hofongorana.

23 I Iaveh no mahamafy ny dian’ny olo-marina;

ary mankasitraka ny lalany.

24 Raha lavo izy tsy mba miampatra amin’ny tany;

fa i Iaveh mitantana azy.

25 Efa tanora ihany aho; ary indro antitra ankehitriny;

fa tsy mba hitako nafoy izay olo-marina,

na ny taranany nangataka hanina.

26 Antra olona mandrakariva izy ka mampisambotra;

ary mahazo fanambinana ny taranany.

27 Halaviro ny ratsy ary manaova ny tsara,

dia mitoera mandrakizay ao am-ponenanao.

28 Fa tian’i Iaveh ny rariny,

ary tsy foiny ny olo-miraiki-po aminy.

Eo ambany fiambenany mandrakariva ireny,

fa ny taranaky ny ratsy fanahy kosa hofongorana.

29 Hanana ny tany ny olo-marina,

dia honina eo mandrakizay.

30 Milaza fahendrena ny vavan’ny marina;

ary manambara ny rariny ny lelany,

31 ny lalàn’ny Andriamaniny dia ao am-pony,

tsy mba solafaka ny diany.

32 Ny ratsy fanahy mitsikilo ny marina,

ka mitady izay hahafaty azy;

33 fa i Iaveh tsy mahafoy azy ho eo an-tanany;

ary tsy manameloka azy, raha avy izay hitsarana azy.

34 Miandrasa an’i Iaveh, ary araho ny lalany,

dia hanandratra anao Izy, ka hanana ny tany ianao;

raha avy izay hamongorana ny ratsy fanahy, dia ho hitanao izany.

35 Nahita ny tsy mpivavaka efa mby eo amin’ny fanaperam-pahefana aho,

nisandrahaka tahaka ny hazo maitso maniry izy.

36 Nandalo aho dia tsy teo intsony izy;

nitady azy aho fa tsy hita intsony izy.

37 Mba diniho kosa ange ny marina, ka jereo ny mahitsy:

fa manam-para mandimby ny olona tia fihavanana,

38 Fa ny mpikomy kosa haringana avokoa;

ny taranaky ny ratsy fanahy hofongorana.

39 Avy tamin’i Iaveh no iavian’ny famonjena ny marina;

mpiaro azy amin’ny andron’ny fahoriana Izy.

40 I Iaveh no tonga manampy sy manafaka azy;

manafaka amin’ny ratsy fanahy sy mamonjy azy Izy,

satria Izy no nataony fototry ny fitokiany.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *