Fiderana ny rariny ataon’Andriamanitra
1 Nataon’i Davida, tamin’izy nody adalateo anatrehan’i Abimeleka, ka noroahiny izy, dia lasa.
2 Te hisaotra an’i Iaveh mandrakariva aho;
ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.
3 I Iaveh no ireharehan’ny fanahiko;
aoka handre sy hifaly ny manetry tena.
4 Miaraha amiko ianareo hankalaza an’i Iaveh:
aoka isika hiara-midera ny Anarany.
5 Nitady an’i Iaveh aho, dia nihaino ahy Izy,
ary nanafaka ahy tamin’ny tahotro rehetra.
6 Raha mitodika azy ny olona dia miramiran’ny hafaliana,
ary tsy safo-kenatra ny tavany.
7 Niantso ity olo-mahantra, dia nohenoin’i Iaveh,
sy novonjeny tamin’ny fahoriany rehetra.
8 Ny Anjelin’i Iaveh mitoby,
manodidina izay matahotra Azy, ka mamonjy azy.
9 Andramo ka zahao ange izany hatsaran’i Iaveh.
Sambatra ny olona manao Azy ho fialofany.
10 Matahora an’i Iaveh ianareo olo-masiny,
fa tsy ho voan’ny fahantrana izay matahotra Azy.
11 Ny liona tanora mety noana aman-tsy ampy hanina ihany,
fa izay mitady an’i Iaveh tsy orin-java-tsoa akory.
12 Avia, anaka, mihainoa ahy,
hampianariko ny fahatahorana an’i Iaveh ianareo.
13 Iza no olona mankamamy ny aina,
iza no maniry andro lava hanaranam-po amin’ny fahasambarana?
14 Arovy amin’ny ratsy ny lelanao,
ary amin’ny teny fitaka ny molotrao.
15 Mandosira ny ratsy ary manaova ny tsara,
mitadiava fihavanana ary katsaho izany.
16 Ny mason’i Iaveh mitsinjo ny marina
ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.
17 Ny Tavan’i Iaveh manandrina ny mpanao ratsy,
mba hamongorany ny fahatsiarovana azy eo amin’ny tany.
18 Fa mitaraina kosa ny marina, dia mihaino azy i Iaveh,
ka manafaka azy amin’ny fahoriany rehetra.
19 Eo akaikin’izay torotoro fo i Iaveh,
ary mamonjy izay rera-panahy Izy.
20 Iharam-pahoriana matetika ny marina,
fa esorin’i Iaveh amin’izany rehetra izany kosa.
21 Miaro ny taolany rehetra Izy,
tsy hisy ho tapaka ireny, na dia iray aza.
22 Ny ratsy no mahafaty ny ratsy fanahy;
ary sazina ny mpankahala ny olo-marina.
23 Fa avotan’i Iaveh kosa ny fanahin’ny mpanompony;
ary tsy misy faiziny izay rehetra mialoka aminy.