Fitalahoana sy fankasitrahana
1 Nataon’i Davida.
Ianao no antsoiko, ry Iaveh ô,
aza manentsin-tadìny amiko, ry vatolampiko,
fandrao raha mangina Ianao,
dia ho tahaka izay midina any an-davakaaho.
2 Henoy ny feon’ny fifonako,
raha mitaraina aminao aho;
raha manandratra ny tanako,
mankany amin’ny fitoerana masinao aho.
3 Aza atao indray mandripaka amin’ny ratsy fanahy aho,
amin’ireo mpamorona heloka,
izay miresaka fihavanana amin’ny namany,
kanjo hasomparana no ao am-pony.
4 Valio araka ny asanyireny, sy araka ny haratsian’ny asa nataony;
valio araka ny vitan’ny tanany izy;
omeo azy ny tamby tandrify azy.
5 Fa tsy tandreman’ny sainy ny asan’i Iaveh,
dia ny asan-tanany:
ka horavany kosa fa tsy haorina izy ireo.
6 Hisaorana anie i Iaveh, fa nihaino
ny feon’ny fifonako Izy.
7 I Iaveh no heriko sy ampingako;
Izy no nitokian’ny foko.
Efa voavonjy aho. Ka misomebin-kafaliana ny foko.
Ka hidera Azy amin’ny hirako aho.
8 Iaveh no herin’ny vahoakany,
mandam-pamonjena ho an’ny nohosorany Izy.
9 Vonjeo ny olonao,
ary tahio ny lovanao!
Ianao anie no ho mpiandry azy sy hitondra azy mandrakizay.