I Iaveh no anjara lovako
1 Hiran’i Davida.
Ambeno aho, ry Andriamanitra ô, fa mifefy aminao aho.
2 Hoy aho amin’i Iaveh: «Tompoko Ianao, Ianao irery no fananako.
3 Ny olo-masina izay ety amin’ny tany,
ireo malaza, dia tiako amin’ny foko rehetra».
4 Ampitomboin’ny olona ny sampy; ny andriamani-kafa no hihazakazahany harahina,
fa izaho kosa tsy mba handraraka ny fanati-dra araraka ataony,
na hanao ny anaran’ireny eo amin’ny molotro akory.
5 I Iaveh no anjara lovako aman-kapoakako;
Ianao no miantoka ny anjarako.
6 Norefesin’ny famolaina izay anjarako soa,
eny lova soa indrindra no lasako ho ahy.
7 Isaorako i Iaveh izay nanolo-tsaina ahy;
na dia alina aza ny andro mbola anarin’ny foko ihany aho.
8 Ataoko eo imasoko mandrakariva i Iaveh,
fa eo ankavanako Izy; tsy hangozohozo aho.
9 Ka dia faly ny foko, ravo ny fanahiko;
mandry tsy amin’ahiahy mbamin’ny vatako aza.
10 Fa tsy ho foinao ho any amin’ny Seoly ny fanahiko;
tsy havelanao hahita ny fahalòvana ilay tia Anao.
11 Hampahafantarinao ahy ny lalan’ny fiainana:
hafaliana feno no eo anatrehan’ny Tavanao;
fahafinaretana mandrakizay no eo an-tananao ankavanana.