Hanoherana an’izao tontolo izao mpamitaka
1 Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny Torivalo. Hiran’i Davida.
2 Vonjeo, ry Iaveh ô! fa mihafongotra ny tia vavaka:
mihafoana tsy ho eo amin’ny zanak’olombelona ny mahatoky.
3 Mifampilaza lainga no ataon’ny olona;
molotra mandrobo sy feo mamorom-pitaka no itenenany.
4 Holevonin’i Iaveh anie ny molotra mandrobo rehetra,
mbamin’ny lela miteny amin’avonavona,
5 izay milaza hoe: «Mankahery anay ny lelanay;
miandany aminay ny molotray, ka iza indray no ho tomponay?»
6 Noho ny fahorian’ny ory,
amam-pisentoan’ny mahantra,
dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy i Iaveh,
dia hitondra aminy ny famonjena izay iriny.
7 Teny madio ny tenin’i Iaveh,
volafotsy voarendrikaanatin’ny memy ambonin’ny tany Izy, ka voadio impito.
8 Ianao no hiambina azy, ry Iaveh ô;
dia hiaro azy mandrakariva amin’ity taranaka ity.
9 Mandeha manodidina azy amim-panandratan-tena ny ratsy fanahy;
fa araka ny isandratan’ny zanak’olombelona no hanetrena
azy ireo.