Ilay Vehivavy janga malaza
1 Dia nanatona ahy ny iray tamin’ny Anjely fito nitondra kapoaka fito, ka nanao tamiko hoe: «Avia, fa hasehoko anao ny fitsarana ilay Vehivavy janga malaza, mipetraka amin’ny rano lehibe maro,
2 izay nijangajangan’ny mpanjakan’ny tany, sy nahamamo ny mponina ambonin’ny tany tamin’ny divain’ny fijangajangany.»
3 Dia nentiny am-panahy nankany an’efitra aho, ka inty Vehivavy nitaingina Biby mivolon-jaky, feno anarana fanevatevana an’Andriamanitra, fito loha sy folo tandroka, no hitako.
4 Lamba volomparasy sy jaky no nitafian-dRavehivavy, volamena sy vato soa ary voahangy no niravahany, ary kapoaka volamena feno zava-betavetano teny an-tanany, dia ny zava-maloton’ny fijangajangany izany.
5 Nisy anarana, dia anarana miafin-kevitra voasoratra teo an-kandriny, nanao hoe: «Babilôna lehibe, Renin’ny fijangajangana sy ny zava-betaveta amin’ny tany.»
6 Hitako fa mamon’ny ran’ny olo-masina sy ny ran’ny martirin’i Jesoa io Vehivavy io, ka gaga loatra aho nahita azy.
7 Ary hoy ilay Anjely tamiko: «Nahoana no gaga ianao? Indro hasehoko anao ny hevi-miafin’ilay Vehivavy sy ny Biby fito loha manan-tandroka folo.»
Ny maha famantarana ny Biby sy ny Vehivavy Janga
8 Ny Biby, ilay efa hitanao, dia teo ihany, ary tsy eo izao, nefa efa hiakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa izy ka hankany amin’ny fahaverezana. Ho gaga ny mponina etỳ an-tany, izay tsy mba voasoratra anarana ao amin’ny bokin’ny fiainana hatramin’ny nanorenana an’izao tontolo izao amin’ny fahitana ity Biby, noho izy teo ihany, ary tsy eo intsony, nefa mbola ho avy indray.
9 Ary eto no ilana saina manam-pahendrena. Ny loha fito dia tendrombohitra fito izay ipetrahan-dRavehivavy, sady mpanjaka fito koa ireo:
10 ny dimy moa efa lavo, ny iray dia eo, ny iray mbola tsy tonga, ary rehefa tonga izy dia tsy maintsy hitoetra kelikely.
11 Ny Biby izay teo kosa, nefa tsy eo intsony, no fahavalo, sy anisan’izy fito ihany, ary mankany amin’ny fahaverezana.
12 Ireo tandroka folo efa hitanao indray, dia mpanjaka folo tsy mbola nahazo fanjakana, nefa handray fahefan’ny mpanjaka sy hiara-manjaka ora iray amin’ny Biby.
13 Miray hevitra izy ireo, ary manolotra ny hery amam-pahefany amin’ny Biby.
14 Hiady amin’ny Zanak’ondry izy rehetra, nefa ho resin’ny Zanak’ondry, satria Izy no Tompon’ny tompo, sy Mpanjakan’ny mpanjaka, ary ny voaantso sy olom-boafidy sady mahatoky no momba Azy.
15 Izao koa, hoy izy tamiko: Ny rano efa hitanao nipetrahan-dRavehivavy janga, dia olona amam-bahoaka sy firenena aman-tsamihafa fiteny maro.
16 Ny tandroka folo efa hitanao tamin’ilay Biby kosa, no hankahala an-dRavehivavy janga, ka hampijaly sy hampitanjaka azy, ary hihinana ny nofony sy handevona azy amin’ny afo.
17 Fa Andriamanitra efa nanome fo azy ireo hanatanteraka ny heviny, sy hanome ny fanjakany ho an’ny Biby, mandra-pahatanteraky ny tenin’Andriamanitra.
18 Ary Ravehivavy hitanao no ilay tanàna lehibe, izay mifehy ny mpanjakan’ny tany.