Lavitra Andriamanitra, ka ny ratsy no mandresy.
1 Dia niteny i Jôba ka nanao hoe:
2 «Eny mangidy anio ny fitarainako,
nefa mbola tampenan’ny tanako aza ny fitolokoko.
3 Ah, raha mba misy mantsy hampahafantatra ahy izay hahitako Azy,
sy hahatongavako hatrany amin’ny seza fiandrianany!
4 Dia halahatro eo anatrehany ny momba ahy,
ary hofenoiko teny fahamarinana ny vavako!
5 Ho fantatro izay hevitra mety hoentiny hanohitra ahy,
ary ho hitako izay mba mety holazainy amiko.
6 Ny haben’ny fahefany ve no hoentiny mandà ahy?
Tsy ho sitrany ve ny manipy maso amiko ahay?
7 Amin’izay dia hifandahatra aminy ny olo-marina,
ka dia handeha aho efa voavelan’ny mpitsara ahy ho afa-mandrakizay.
8 Kanjo miantsinanana aho, tsy any Izy,
miankandrefana indray, tsy tazako Izy.
9 Manan-draharaha any avaratra Izy, tsy hitako,
miafina any atsimo, tsy haiko tsinjovina.
10 Fantany anefa ny lalana falehako;
raha mizaha toetra ahy Izy, dia hivoaka madio toy ny volamena aho.
11 Fa nandia ny dian-tongony mandrakariva ny tongotro;
nizotra tsy nivily teo amin’ny lalany aho.
12 Tsy nivily niala teo amin’ny didin’ny vavany aho,
ary ny sitrapoko nofolahiko nampanekeko ny didin’ny molony.
13 Manana ny heviny anefa Izy; ka iza no hampiova Azy amin’izay?
Izay iriny tanterahiny avokoa.
14 Hotanterahiny àry izay efa notendreny ho ahy;
ary tsy vitsy ny hevitra toy izany ao aminy.
15 Izany no mampitebiteby ahy eo anatrehany;
rehefa mihevitra izany aho, dia matahotra Azy.
16 Mandreraka ny foko Andriamanitra;
mameno tahotra ahy ny Tsitoha.
17 Fa tsy mba haizina no mihinana ahy,
na ny alina no manarona ny tavako.