1 Efa mihareraka ny fofon’aiko,
efa milopilopy ny androko;
ny fasana sisa mba ho ahy.
2 Voahodidina mpaneso aho,
misokatra ny masoko eo anoloan’ny fanevatevany ahy.
3 Ry Andriamanitra ô, aoka ny tenanao ihany no hiantoka ahy aminao,
fa iza indray moa no hety hitehaka ny tanako?
4 Ny fony efa nohidinao tsy handray ny fahendrena,
ka aza avelanao hisandratra ireo.
5 Misy miantso ny sakaizany hiara-kizara aminy
nony efa mihareraka ny mason’ny zanany.
6 Efa nataony fihomehezan’ny firenena aho;
ilay olona fandrora amin’ny tavany aho.
7 Voasaron’ny alahelo ny masoko,
hoatra ny aloka sisa ny rantsam-batako rehetra.
8 Talanjona amin’izany ny olona mahitsy fo;
ary tezitra amin’ny tsy mivavaka ny tsy manan-tsiny.
9 Ny olo-marina anefa mifikitra mafy amin’ny lalany
ary izay madio tanana miezaka amin-kerim-po tokoa.
10 Fa avia indray àry ianareo rehetra, avia;
dia tsy hahita olon-kendry iray aminareo va aho?
11 Lany ity ny androko, foana ny hevitra voakasako;
dia ireo hevitra mba nolalaiko indrindra.
12 Ny alina ataony ho andro,
eo anatrehan’ny haizina, lazainy ho efa akaiky ny fahazavana;
13 Na dia miandry aza aho, ny Seoly no fonenako;
ao amin’ny haizina no amelarako ny fandriako.
14 Hoy aho tamin’ny fasana: ‹Raiko ianao›;
ary tamin’ny kankana: ‹Reniko sy anabaviko ianareo›.
15 Nankaiza ny fanantenako?
Iza no afa-kahita ny fanantenako?
16 Nidina any am-bavahadin’ny Seoly izy;
raha mba mahita fitsaharana ahay mantsy, any amin’ny vovoka!»