Ny tsy fahamarinan’ny olombelona mampandinika ny fahamarinan’Andriamanitra.
1 Dia niteny i Jôba nanao hoe:
2 «Efa reko matetika ny kabary toy izany,
Mpampionona tsy zaka leferina avokoa ianareo.
3 Rahoviana re no ho tapitra izany lahateny izany e?
Asesiky ny fitsindrona inona ianao no mamaly indray?
4 Hahay miteny toa anareo izao koa aho,
raha ianareo no mba toy ahy izao;
hofafazako teny tsara lahatra ianareo,
hanifikifi-doha aminareo aho.
5 Vava no hankaherezako anareo,
ka ny molotro mihetsika no ho fanamaivanana anareo.
6 Raha miteny moa aho, tsy mihena ny fijaliako;
raha mangina indray, hanamaivana azy va izany?
7 Fa ankehitriny, indrisy, efa mandreraka ny heriko Andriamanitra:
naringanao ny havako rehetra, ry Andriamanitro ô.
8 Mamatotra ahy Ianao: ka izany no vavolombelona miampanga ahy,
mitsangana hanohitra ahy ny hahiazako, miampanga ahy manatrika.
9 Ny hatezerany mamiravira sy manenjika ahy;
mikitro-nify amiko Izy;
ary fijery mivandravandra no atifitry ny fahavaloko ahy.
10 Asanasanany handrapaka ahy ny vavany,
fetsàhany amin-datsa ny takolako,
miray tetika izy rehetra hamely ahy.
11 Natolotr’Andriamanitra amin’ny ratsy fanahy aho ity;
natsipiny eo an-tanan’ny olon-dratsy aho ity.
12 Teo amin’ny fiadanana aho, no nobatainy,
noraisiny tamin’ny hatoko aho, dia nomontsaniny.
Natsangany ho tigetra kendren’ny zana-tsipìkany;
13 mirimorimo manodidina ahy ny zana-tsipìkany,
trobarany tsy ananany antra ny lanivoako,
ararany amin’ny tany ny tsinaiko.
14 Akoany hiampy ny mikoa amiko,
toy ny rapeton’olona no fiantorany amiko.
15 Nanjairako gony ny hoditro,
ary nahosinkosiko tamin’ny vovoka ny handriko.
16 Teramenan’ny ranomaso ny tavako,
ary mivelatra eo ambony hodi-masoko ny aloky ny fahafatesana.
17 Kanefa tsy misy haratsiana eo an-tanako,
ary madio ny fivavako.
18 Ry tany ô, aza saronanao ny rako,
ary aoka hisondrotra malalaka ny fitarainako!
19 Fa na dia izao aza, manam-bavolombelona any an-danitra aho,
ary mpiaro ahy, any amin’ny fitoerana avo any.
20 Ireo sakaizako mihomehy ahy;
fa amin’Andriamanitra kosa no itomanian’ny masoko.
21 Aoka izy hitsara hanelanelana an’Andriamanitra sy ny olombelona,
hanelanelana ny zanak’olombelona sy ny namany.
22 Fa mandroso ho lany ny taona voaisa ho ahy,
ary ny lalana idirako, tsy hiverenan-kilalana.